Fanadihadiana Manokana

MINISITRA BAVY ANGELICA MICHELLE : “Hapetraka ny fotodrafitrasa ho an’ireo manana fahasembanana…”

Notanterahina omaly ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona tra-pahasembanana, tetsy amin’ny Parvis Analakely. Nasongadin’ny minisitry ny Mponina sady mpiahy ireo olona manana fahasembanana fa manana vina hametraka fotodrafitrasa ho an’ireo olona tra-pahasembanana manerana ny Nosy ny Fitondram-panjakana…

Faly ireo tra-pahasembanana nandray ny minisitry ny Mponina.

Nankalazaina omaly, ny 3 desambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona manana fahasembanana, tetsy ami’ny Parvis Analakely. Nambaran’ny minisitry ny Mponina sady mpiahy ireo olona manana fahasembanana fa “ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina, dia mametraka ny laharam-pahamehana fa tsy tokony hisy samy hafa ny olom-pirenena rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona tra-pahasembanana”. Efa nisy ny fanentanana natao, ny aminy hanajana ny zon’ireo sembana ireo. Tafiditra ao ny fanomezana ny asa tandrify azy avy, amina sokajinasa isan-tokony. Ilaina, araka izany, ny fametrahana ny maha izy azy ireo, eny amin’ny fiarahamonina. Izany hoe, tsy hanavakavaka na hanilikilika tahaka ny tanimbary ireo olona tra-pahasembanana ireo. Nasongadin’ny minisitry ny Mponina Bavy Angelica Michelle fa “ ny minisiteran’ny Mponina dia manana vina hametraka ny toerana sy fotodrafitrasa ho an’ireo olona tra-pahasembanana ireny. Efa an-dalam-panaovana izany izahay nanomboka tamin’ity taona 2020 ity, ary manerana an’i Madagasikara io”.

Nanotrona ireo olona tra-pahasembanana ny minisitra Bavy Angelica.

Misy, araka izany, ny fiantombohana ary mandalo dingana izany, ny amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa. Ny mampalahelo, hoy hatrany ny minisitra, ny filazana fa mahatratra hatrany amin’ny 1000 ireo olona tra-pahasembana any Maroantsetra. Ny Fitondram-panjakana, dia tsy manavaka azy ireo, fa tsy maimntsy misy ny fitsinjovana azy ireo satria tsy tokony hisy olona hadino intsony, na voailikilika izany, fa tena hisitraka ny zony tokoa, amin’ny maha olom-pirenena azy. Nisy, araka izany, fanomezana nomen’ny minisitra ho an’ireo tra-pahasembanana, toy ny vary, kojakoja isan-karazany, ankoatra ny fanampiana azy ireo.

Matetika voailikilika amin’ny andavanandro

Ampahany amin’ireo asa tanana vitan’ireo tra-pahasembanana amin’ny fihainoana.

Tsy vitsy tamin’ireo olona tra-pahasembanana eny amin’ny fiainam-piarahamonina eny, no mbola mahatsiaro voailikilika. Tsy fidiny azy ireo anefa ny tra-pahasembanana fa noho ny antony maro. Misy ireo tra-pahasembanana ara-batana, ara-pahitana, ara-pandrenesana, ara-tsaina… Isan’iroe olana setrain’izy ireo matetika. Ho an’ireo olona manana fianakaviana tra-pahasembanana, dia ila ahetsiketsika matetika izy ireo, mba hanala vonkina, noho ny tsy fihetsehan’ny ratsambatana. Ho an’ireo manana vatana tsy afa-mihetsika, ohatra, dia misy fery matetika ireo sembana. Noho izany, ilaina matetika ny mamadibadika azy ireo, mba tsy hiforonan’ny fery.

Olana setrain’ireo olona manana fahasembanana koa, ny fiakarana amin’ny fiara fitaterana, sy ny fisisihana fiara na tery koa ny lalantsara sy ny seza anaty fiara. Olana koa ny toerana fijanonan’ny fiara, izay lavitra loatra. Noho izany, tokony hisy ny fenitra arahina, amin’ireny fitaterana ireny, mba hahazoan’ny olona manana fahasembanana mampiasa azy. Mila atao malalaka ny lalantsara sy ny elanelan’ny seza, mba tsy hanahirana azy ireo. Tokony hifampitsinjo ny rehetra, indrindra, mba hanampy ireo olona manana fahasembanana, indrindra amin’ny fivezivezeny. Tokony homena lalana mialoha ireo olona manana fahasembanana, indrindra rehefa milahatra amin’ireo fiara fitateram-bahoaka. Ampahany amin’ny fiainana andravanandro ireo, fa maro tsy tambo isaina ireo tena mampangirifiry ireo olona tra-pahasembanana, ka mitaky fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena rehetra.

 

Fermer