SamihafaSongadim-baovaoSosialyToekarena
VIDIM-BARY : Tsy tokony hihoatra ny 550Ar ny kapoaka
Nampitaraina ny olona efa ho isanandro tato ho ato ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena izay manampy trotraka ny fahasahirana, taorian’ny krizy ara-pahasalamana farany teo. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra ny Governemanta ho famahana io olan’ny vidim-bary io. Omaly, taorian’ny fifampidihan’ny Praiminisitra, niaraka tamin’ireo minisitra voakasika, sy ireo mpandraharaha ara-bary, fantatra fa tsy tokony hihoatran’ny 550Ar intsony ny vidin’ny kapoakan’ny vary manomboka anio.
Tsy niraviravy tanana manoloana ny olana iainan’ny vahoaka noho ny fiakaran’ny vidim-bary ny Fanjakana fa nitady vahaolana mifandraika amin’izany. Araka izany, manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena, izay hita fa misy fiantraikany amin’ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy, indrindra ao anatin’izao fotoana iarenana amin’ny niatrehana ny valanaretina covid-19 izao, dia nampiantso fivoriana maika ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly hariva, hamantarana ny olana misy mba hahafahana mitondra vahaolana. Fotoana izay niarahany nidinika tamin’ny minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana, ny minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary Jono, ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny solontenan’ireo mpanafatra sy mpamokatra vary, ary ny solontenan’ireo mpivarotra vary ambongadiny.
Hamafisina ny fanarahamaso
Anisany fanapahankevitra lehibe tapaka nandritra ny fihaonana, noho izany, ny fihazonana ny vidin’ny vary ho 550Ar ny iray kapoaka. Izany hoe, io no vidin’ny farany ambony, fa ny mihoatra an’io no tsy azo ekena. Nilaza ny Praiminisitra fa efa nifanekena io fanapahan-kevitra noraisina io, ary manomboka anio dia tokony hihatra eny an-tsena avy hatrany io vidim-bary io mba hitsinjovana ireo mpanjifa. Araka ny fanazavana, anton’ny nahatonga ny fiakaran’ny vidim-bary ankehitriny ny tsy fahampian’ny vary hafarana nefa isika mandalo fotoam-pahavaratra ankehitriny ka mihena ihany koa ny vokatra eto an-toerana. Araka izany, rehefa miakatra ny vidim-bary avy any ivelany dia manaraka an’izay fiakarana izay ny vidin’ny eto an-toerana. Izany indrindra, araka ny fanazavan’ny Praiminisitra, no tsy maintsy nandraisana fanapahan-kevitra amin’ny hampihenana ao anatin’ny fotoana fohy ny vidin’ny vary afarana, ary dia nifanaiky tamin’izany vahaolana izany ny mpivory rehetra. Heverina fa ho hita hatreny amin’ny mpanjinjara ny fidinan’ny vidim-bary, ka ny ministeran’ny varotra no hanara-maso ny fahatanterahan’izany. Fotoana izay nanambarany fa tsy azo ekena intsony ny fisian’ ireo izay minia manafina vary sy manararaotra mampiakatra ny vidiny, satria ny hanalefaka ny tsenam-bary no tanjona.
Famokarana vary eto an-toerana
Isany noresahan’ny Praiminisitra omaly koa ny mikasika ny famokaram-bary eto an-toerana. “Hanamafy hatrany ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana ao anatin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, dia ny fahafahantsika manajary ny toerana azo ambolem-bary, ny ministera misahana ny Fambolena”, hoy ny fanazavany. Io minisitera io izay hanentana sy hizara ny fahaiza-manao eny anivon’ny tantsaha malagasy, amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia vaovao manaraka ny toetr’andro, mba hampiakarana ny tahan’ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanatsarana ireo sompitra. Nomarihin’ny Praiminisitra fa tsy voatery ho afaka taona maro vao hahita vokatra amin’izany isika fa mety ho ao anatin’ny volana vitsivitsy.




