SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ALAOTRA MANGORO: Notoloran’ny minisitera mpiahy mariboninahitra ireo mpanakanto
Any amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro indray no hanaovan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fitsidihana amin’izao fotoana izao. Hetsika izay tarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Nanamarika ny andro voalohany omaly ny fanolorana mariboninahitra ho an’ireo mpanakanto avy amin’iny Faritra iny.
Mpanakanto miisa 5 no nahazo ny « commandeur », 13 kosa no nosalorana ny mari-boninahitra « officier » ary 3 ny “chevalier” tao Ambatondrazaka omaly, amin’izao fandalovan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina any an-toerana izao. Mariboninahitry ny kanto sy soratra ary ny kolontsaina ireo nomena ireo, araka ny fanazavana. Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy eo anivon’ny Minisitera, ankoatra ireo tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny tanàna. Tsara ho fantatra fa anisan’ny faritra manan-karena kolontsaina tokoa raha ny Faritra Alaotra Mangoro, ka izany indrindra no antony hanosehan’ny Minisitera mpiahy ireo mpanakanto ireo. Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa nataon’ny Minisitera vaindohan-draharaha nanomboka tamin’ny taon-dasa ny fankasitrahana ireo mpanakanto isam-paritra tamin’ny zava-bita vitany, hanandratana izay kolontsaina izay. Hanohy hatrany izay ezaka izay ny Minisitera mba ho tena isan’ireo ivon’ny fiavahan’ny firenena iray tokoa ny kolontsaina ka hampiray ny isam-batan’olona.
Fandaharanasa « ndao hamaky boky »
Ho an’ny tontolo andron’ny omaly hatrany, tontosa tao Ambatondrazaka ihany koa, teo amin’ny Jardin Technique Antsahantateraka, ny hetsika « Ndao hamaky boky an-kalamanjana ». Araka ny fanazavana, amin’ny maha hetsika hanomezan-danja ny fanentanana ny zaza, ny tanora sy ny vondron’olona tsy an-kanavaka, hazoto sy hankafy ny vaky boky azy izay, mametraka vina sy tanjona ary paikady ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hitety toerana maro, hameloma-maso izay lalan-tsaina izay. “Manana ny toerany manokana amin’ny fandratoana fahalalana ny famakiana boky, indrindra ho an’ny kilonga mpianatra sy ny tanora”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Ho an’ny tao Ambatondrazaka manokana, vory lanona ireo kilonga sy tanora maro, niaraka tamin’i Ramatoa Minisitra sy ireo tomponandraiki-panjakana teto an-toerana, nanatanteraka ny vaky boky, izay narahina fifampizarana. Tena nahaliana ireo kilonga mpianatra ihany koa ny hetsika Ndao hamaky boky an-kalamanjana.
Nanararaotra ny fandalovana tao amin’ny renivohitry Alaotra Mangoro ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny fanolorana fitaovana enti-mamatsy herinaratra ny Centre Hospitalier de Référence Alaotra Mangoro. Marihina fa fiaraha-miasa tamin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo no nahazoana nitondra ireto fitaovana ireto. Araka ny fampitam-baovao, takelaka mpamokatra herinaratra (panneaux solaires) miisa 16, miaraka amin’ny vata mpiary herinaratra (batterie) 200 A miisa16 ihany koa no indray napetraka tao amin’ity hopitaly ity. Amin’ny maha « Système hybride » azy, hiara-hiodina amin’ny herin’ny masoandro sy ny angovon’Jirama ireto fitaovana ireto. Araka izany, manana rindram-piasa (système) matanjaka ireto fitaovana ireto, noho izy afaka mihodina avy hatrany raha toa ka misy ny fahatapahan’ny herinaratra. Efa nihodina namokatra herinaratra ahafahan’ny jiro mirehitra ao amin’ity hopitaly ity ireto fitaovana vaovao ireto amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana hatrany.




