PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FANAMBOARANA NY RN44: Miroso ny asa, hajaina ireo pitsopitsony araka ny lalàna
Fanamby goavana nataon’ny Filohan’ny Repoblika ho an’ny vahoaka malagasy, indrindra ho an’ny vahoakan’Ambatondrazaka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 na ny RN44. Amin’izao fotoana izao, miroso ny asa fanamboarana. Nilaza ny mpitondra tenin’ny Governemanta ny Sabotsy teo, fa tsy maintsy ho vita ny asa, kanefa tsy maintsy hajaina koa ireo pitsopitsony araka ny lalàna amin’ny maha tsenan’asam-panjakana izany, na dia misy aza ny fahamaikana amin’ny fahavitany.
Mizara efatra mazava tsara ny tetikasa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 ankehitriny. Misy ireo ampahany efa vita toy ny eo amin’ny PK 165+200. Etsy ankilany, efa miditra eo amin’ny fametrahana ny tara amin’ny arabe eo amin’ny ampahan-dàlana Feramanga – Kafe koa ny orinasa manao ny asa amin’izao fotoana. Mitovy amin’izany koa ny ampahan-dalana misy ny tetezana manainga zipo teo aloha, izay efa eo andalam-pahavitany amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavana, tsy ho dibo-drano intsony ny lalana sy ny tetezana Manaingazipo amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa vaovao. Natao manarapenitra sy mafy ny tetezana mirefy 84m. Nasiana ny radier alvéolé ihany koa ny tetezana. Manana aavo 3m eo ampovoany ary 2,5 m avy ny sisiny roa. Nampiakarina ho 3 m ihany koa ny aavon’ny lalana mba tsy ho dibo-drano rehefa fotoam-pahavaratra. Hanana antoka 25 taona ny fotodrafitrasa izay sahanin’ny orinasa COLAS. Raha tsiahivina dia nanome anarana vaovao ny lalana sy tetezan’i Manaingazipo ny Filoha ka lasa antsoina hoe « Pont Fihariana » izany manomboka izao. Midika ho fiarenan’Ambatondrazaka izany pont fihariana izany.
Ankoatra ireo, ampahany hafa amin’ny asa famboarana ny RN44 ihany koa ny manelanelana an’Amboasary sy Vohidiala izay mirefy 73km. Io ampahan-dalàna io ankehitriny no tena mbola misy ampahany tena ratsy, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, ny Sabotsy teo. Nambarany fa 24 volana ny fe-potoana nomen’ny orinasa manatanteraka ny fanamboarana hahavitan’ny asa. Izany hoe, raha nanomboka tamin’ny 13 oktobra 2020 teo izany ny asa, dia tokony ho vita tanteraka amin’ny 13 Oktobra 2022.
Nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tsy maintsy ho vita ny RN44, fa kosa tsy maintsy hajaina ireo pitsopitsony araka ny lalàna amin’ny maha tsenan’asam-panjakana izany, satria Fanjakana tan-dalàna ny Fitondrana mijoro ankehitriny. Isany hahafantarana ny Filoha ankehitriny, hoy izy, ny fiasana aingana sy ao anatin’ny fotoana fohy, kanefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna ihany koa anefa izany.
Resaka diso aelin’ny mpanohitra
Ny fandaharana “tsy ho tompon-trano mihono” nataon’ny mpitondra tenin’ny Governemanta tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo no namaliany ireo tsikera sy resaka diso aelin’ny mpanohitra mahakasika ny tsy nahavitan’ny RN44 hatramin’izay. Misy tokoa mantsy ireo milaza ankehitriny fa noho ny krizy politika tamin’ny 2009 no tsy nahavitan’ny fitondrana tamin’izany io lalam-pirenena io. Nanazava anefa ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa ny fampidiran’ny filoha teo aloha Ravalomanana ny orinasany ho anisan’ireo mandray ny tetikasa tamin’izany no tsy neken’ny orinasa Ho-hup izay efa nifanaraka tamin’ny fitondrana tamin’izany fa hanao ny tetikasa. Izany hoe, ny Orinasa Alma (Asa lalana malagasy), izay an’ingahy Ravalomanana ihany no nokasainy hahazo ny tetikasa ka nampisintaka ny orinasa maleziana Ho-hup. Midika izany fa tsy misy hifandraisany mihitsy amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny tsy fahavitan’ny RN44 tamin’izany fotoana izany.



