Manokana Covid-19

ANTONTANISA COVID-19: Miisa 132 ireo tranga vaovao voamarina

Araka ny vokam-pitiliana nataon’ny teo anivon’ny Foibem-pibaikoana misahana amin’ny ady amin’ny coronavirus eto Madagasikara , ny 19 novambra ka hatramin’ny 03 desambra lasa teo, olona vaovao miisa 132 indray no voamarina fa mitondra ny Covid-19 eto amintsika. Io  isa io izay azo vokatry ny fitilina niisa 1738 tontosa. Niakatra ho 17 473, araka izany, ny totalin’ireo olona mitondra io tsimokaretina io. Niampy 270 kosa, ireo olona sitrana soamantsara tamin’ity valanaretina ity. Hatreto, miisa 16 927  ireo olona efa sitrana teto amintsika. Tetsy ankilany, niampy efatra ireo lavon’ity valanaretina ity teto amintsika ka nahatonga ny tambatrisan’ireo namoy ny ainy ho 255 amin’izao fotoana. Ilaina hatrany, noho izany, ny fanajana ireo fepetra rehetra efa napetraka hatram’izay mba hisorohana ny  mety ho fihanak’io valanaretina io.

Fermer