PolitikaSongadim-baovao
FIVORIAMBEN’NY VONDRONA AFRIKANINA: « Antoky ny fampandrosoana ny fitoniana politika” hoy Filoha Andry Rajoelina
Noho ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19 aty amin’ny kaontinanta afrikanina, indrindra manerana izao tontolo izao, dia mbola tamin’ny alalan’ny « visioconférence » no nanatanterahan’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta ny fivoriambe tsy ara-potoana faha-14 eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Nandray anjara feno tamin’izany ny Filoha Andry Rajoelina. Araka izany, nifantoka tamin’ny hoe: « hampanginana ireo fitaovam-piadiana eto afrika » izay mbola fanamby goavana ho an’ny kaontinanta Afrikana, ny fihaonana.
« Miankina amin’ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny fitoniana politika ny fampandrosoana aty Afrika », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Izy izay nanatitrantitra ny tokony hiraisan’ireo mpitondra afrikanina hina ary ny tokony hanehoana haitarika anaty filaminana sy fandriampahalemana mba hananana antoka ho amin’ny fampandrosoana sy hanatanteraka ireo andrandrain’ny mponina. « Izay nafafy no jinjaina hoy ny fitenenana; koa raha te hioty ny fampandrosoana sy ny fisandratan’i Afrika isika dia tsy maintsy mametraka sy manamafy ny fandriampahalemana amin’ny fireneny tsirairay avy sy amin’ireo firenena rahavavy eto afrika ary amin’ireo firenenkafa rehetra manerantany », hoy hatrany fampitam-baovao avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina.
Fandriampahalemana eto Madagasikara
Tetsy ankilany, fotoana ihany koa io omaly io nilazan’ny Filoha Andry Rajoelina ireo paikady efa nataon’ny Fitondrana tarihiny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Notsindriany tamin’izany ny ady tamin’ny Dahalo tany Atsimo izay efa nampikaikaika ny vahoaka efa an-taonany maro. Novatsiana fitaovana hahafahany miatrika ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’izany ireo angidimby, fiaramanidina, fiara mifono vy, sy ny sisa hafa koa. “Ankehitriny, efa nihena hatramin’ny 60% ny halatra omby any amin’ny tapany atsimon’I Madagasikara”, hoy ny Filoha.
Teo am-pamaranana ny lahateniny, tsy nanadino ny nisaotra manokana ny Vondrona Afrikanina sy ireo fikambanana aty amin’ny sehatra afrikanina izay nanolo-tanana an’I Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy. Ny hahazo vokatra tsara amin’izany fitakiana izany no tanjontsika, hoy izy.



