Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
LALAON’NY NOSY 2023: Hampiantrano ny andiany faha-11 i Madagasikara
Vokatry ny fialana an-daharana nataon’ny Nosy Maldives, i Madagasikara no voafidy handray ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana amin’ny taona 2023. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nampahafantarana izany. Nanamafy ny Filohan’ny Komity Olimpika Malagasy fa nahazo io fankatoavana handraisana ny lalao ara-pirahalahiana io isika. Io fanapahankevitra io izay notapahan’ny mpikarakara ity lalao ity na ny (CIJ).
Marihina fa firenena miisa fito eto anivon’ny ranomasimbe Indianina no handray anjara ao anatin’io fifaninanana io. Isan’izany ny Nosy Comores, La Réunion, Maldives, Seychelles, Maurice, Mayotte ary isika eto Madagasikara. Anisan’ny hitondra fivoarana ho an’ny fanatanjahantena malagasy, fa indrindra mahakasika ny lafin’ny fifandraisana hatrany amin’ireo nosy mirahavavy ireo koa, ny fampiantranoana io lalaon’ny nosy andian’ny faha-11 io. Tsiahivina fa ny taona 2007 no nandraisantsika farany ny JIOI.




