Fanadihadiana Manokana

OLANA ANY ATSIMO : Miditra amin’ny fanafoanana ny Kere ny Fitondram-panjakana

Mifandrimbona mifanome tanana amin’ny fanafoanana ny kere any Atsimo ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny governemanta. Miasa mafy ny CCO-K any Atsimo, ary tsy mora ny asa miandry azy ireo, ankoatra ny fizarana sakafo ireo olona anarivony any an-toerana, izay mitohy hatramin’izao…

Tsy manadino ireo vahoaka tra-pahasahiranana ny Fanjakana.

Miditra lalindalina kokoa amin’ny fanafoanana ny kere any Atsimo ny eo anivon’ny Governemanta ary mifarimbona sy mifanome tanana hatrany manoloana izany. Taorian’ny nametrahana ny CCO-K, nisy ny atrikasa notontosaina tao Ambovombe, izay niarahana tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra niara-dia taminy, izay ahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Paositra ary ny minisitry ny Mponina. Tao koa ireo tomponandraikitra ambony sy manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana sy ireo mpiara-miombona antoka, izay nanampy tamin’ny dinika, mba hitadiavam-bahaolana maharitra. Tsy nohadinoina koa ny fametrahana paikady, momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Nandrindra izany lahadinika hiadiana amin’ny Kere izany, ny Jly Pikulas Kaomandin’ny “Opération Vonjy”. Noresahina nandritra izany, ny fomba fiasan’ny CCO-K any Atsimo : ny fanisam-bahoaka, ny fandraisana an-tanana ireo marary, ny fitaterana ny marary, ny fanaraha-maso ara-tsakafo ary ny famerenana ireo olona any amin’ny toerana misy azy sy ny asa fanaony andavanandro.

Hamafisina hatrany ny paikady

Misy ny fanisana ireo mponina eny ifotony.

Misy hatrany ny fanaraha-maso ara-stratejika, mba ho fanamafisana avy hatrany ny fihenoana ny fanehoan-kevitra, ny fanampiana ara-teknika ataon’ny miaramila ary ny fanampiana eo amin’ny lafiny maha olona sy ara-ekonomika miaraka amin’ireo mpiara miombona antoka. Marihina fa ny ny miaramila dia manana andraikitra amin’ny famerenana ny fatokisan’ny vahoaka azy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fanampiana akaiky azy ireo.

Fianakaviana 70 ary no niasana tao amin’ny Kaominina Ambohimalaza, distrikan’i Tsihombe, ny talata 2 desambra teo, ka nijerena ireo olona tena marefo. Olana sedrain’ireo mpiantsehatra amin’izany ny fiparitahan’ny kaominina ka manasarotra ny fitantanana sy ny fijerena ireo olona mila vonjy maika. Eo koa ny tsy fahampiana ireo fitaovana toy ny ordinatera, ny tambajotra (internet/réseau) ary ny fitaovana fanontana ny taratasy fanisana. Anisan’ny tena ilaina maika ny fitaovana ahafaha-mandanja sy mandrefy ny ankizy sy ny olon-dehibe ary ny fiara tsy mataho-dalana ho fitaomana ny marary.

Sarotra ny fanatanterahana ny asa…

Nojerena avokoa ireo tokantrano tena marefo.

Ny Vovonana « Gestion et de traitement des informations » tarihin’ny Kly Ravaoavy moa dia mampiasa « Application », mba hanafainganana ny fanisana sy ny fikirakirana ny antotanisa. Ilaina, araka izany, ny fananana fifandraisana amin’ny tambajotra ahafaha-mampita ireo antontanisa. Iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fandraisana an-tanana ireo marefo ka miainga amin’ny loharanom-baovao, izay omen’ny Fitaleam-paritry ny fahasalamana any an-toerana izay mahenika ny CSB ka nahitana ireo mila vonjy maika. Toy izany koa ny fanisana ny mponina iarahan’ny BMM sy ny ONN ary ireo « Agents communautaires ». Ny kaominina Ambohimalaza sy Ambohinaivo no vita fanisana nandritra ny dimy andro. Tsapa tamin’izany ny fahasarotana eo am-panatanterahana ny asa ka ilaina indrindra ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombona antoka rehetra.

Mifanome tanana avokoa ny rehetra amin’ny fandraisana sy ny fikirakirana ny vokatra azo amin’ny fanisana. Raha ny omaly, dia fianakaviana 3000 no nizarana sakafo, araka ny voalazan’ny Governoram-paritra. Nankasitraka manokana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, noho ny asa ataony momba ny  ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra any an-toerana. Manara-maso ny asa rehetra moa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ka midina isan-kerinandro any an-toerana hatrany, amin’ny maha mpandrindra ankapobeny azy izao ady atao amin’ny Kere izao.

Fermer