Songadim-baovao
AKANJO VOLORIN’NY PRINTSESY, SARY, TARATASY,… : Ho tafaverina an-tanindrazana ireo Vako-tsarobidim-pirenena
Taorian’ny fanatontosana ny lavanty momba ireo Tahirim-bako-pirenena nahitana ny akanjo volorin’ny Printsesy Ramasindrazana, Nenitoan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III, tany Londres, omaly tolakandro. Hiverina tsy ho ela eto an-tanindrazana ireo vako-pirenena samihafa, mitahiry ny tantaran’i Madagasikara….

Vaovao mahafaly ho an’ny tantaran’i Madagasikara, indrindra momba ny vako-pirenena, izay mitahiry ny tantara. Taorian’ny fanatanterahana lavanty momba ireo tahirim-bakoka, toy ny akanjo, ny fitaovana nampiasain’ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ireo fianakaviana akaiky niara-dalana taminy. Isan’ireny ny akanjo volorin’ny Printsetsy Ramasindrazana, Nenitoan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Ity akanjo volorin’ny Printsetsy Ramasindrazana izay nitentim-bidy hatrany amin’ny 43.000 livres sterling nandritra ny lavanty. Isan’ireo nanara-maso fatratra ity lavanty niseho tany Londres Angletera ity, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
Nambarany tao anaty tambajotra ara-tsosialy « facebook »-ny fa « hatrany am-panombohana ka hatrany am-piafarany no nanarahako ireo tombam-bidy sy adivarotra. Koa an-kafaliana no izarako eto, fa nandray anjara sy nandresy tamin’izany ny Fanjakana malagasy ». Nasongadin’ny Filoham-pirenena fa hiverina, ho tafody tsy ho ela eto an-tanindrazana haka ny toerany eo anilan’ireo Vakoky ny tantarantsika ireo harem-pirenena malagasy ireo ho an’ny hambom-po sy fiandrianam-pirenena. « Mifanindran-dalana amin’ny fitiavako manokana ny tantaran’ity Firenentsika ity sy ny fitiavana sy finiavako hamela lova ho an’ireo taranaka dimby sy fara », hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina.
Zava-dehibe ny fiverenan’ny vakoka…

Nanana ny toerany manokana teo amin’ny Mpanjakavavy Ranavalona III ny Printsesy Ramasindrazana. Ankoatra ny maha Nenitoan’ny Mpanjakavavy azy, mpanolotsaina ara-politikany rahateo izy. Antony iray maha zava-dehibe ny fahazoana ny akanjon’ny Printsesy Ramasindrazana satria fahatsiarovana mivela ho an’ny Tantaram-pirenena, indrindra amin’ny maha vakoka azy. Ankoatra ny akanjo volorin’ny Printsesy io, nisy koa sary maromaron’ny Mpanjakavavy sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, ary taratasy isan-karazany nifandefasan’izy roa tonta nandritra ny sesitanin’ny Mpanjakavavy tany Alzeria, taorian’ny nialany teto Madagasikara, teo anelanelan’ny taona 1897 ka hatramin’ny taona 1924.

Tsy nohadinoin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny nisaotra ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina nametraka ho zava-dehibe ny fiverenan’ireo Vakoka ireo eto Madagasikara. Nandray an-tanana manokana ny raharaha ary nanome ny toromarika rehetra nahafahantsika nandray anjara tamin’ny lavanty nahazoana azy ireo. Nisaorana koa ny ekipa rehetra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ary ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola, nifanome tanana, nanao ny ainy tsy ho zavatra, efa ho roa herinandro izay. Goavana ny andraikitra noraisina nanomboka tamin’ny nahafaha-nahazo ireo vakoka ireo ka hatramin’ny hampodiana azy eto Madagasikara, aorian’ny pitsopitsony tsy maintsy arahina amin’ny maha lavanty azy.




