PolitikaSongadim-baovao

MANDRITRA NY FIFIDIANANA: Tsy maintsy hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana

Omaly tamin’ny misasakalina no nifarana ny fampielezankevitra amin’ny Fifidianana Loholona teto amintsika. Natokana ho an’ny fahanginana ara-pifidianana na « silence électoral » kosa ny tontolo andron’ny anio. Araka izany, efa mivonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana rahampitso ireo voakasika amin’izany. Tsy maintsy hajaina feno kosa anefa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, hoy ny fanazavana avy eo anivon’ny Ceni, omaly.

Nirindra sy nilamina ny fizotran’ny fampielezankevitra tamin’ny ankapobeny, araka ny tatitra avy amin’ny Ceni. Nitondra teny fisaorana ny rehetra tamin’ny fanarahana ny fitsipika mifehy izany ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, omaly. « Ankehitriny dia samy mahazo tombony ny rehetra miaina ao anaty filaminana, ary miandrandra fifidianana Loholona mirindra”, hoy ny Filohan’ny Ceni, Hery Rakotomanana. Eo anatrehan’izany, notsindriany fa voararan’ny lalàna ny manao fampielezankevitra na mivantana na ankolaka amin’ity tontolo andron’ny anio ity. Tanjona ny hiantohana ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy izy.

Tsy mitondra finday sy penina

Ankoatra izay, nilaza ny avy eo anivon’ny Ceni fa mila manaja ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny Covid-19 ireo mpifidy vaventy hanatanteraka io fifidianana Loholona io. Tafiditra amin’ireo fepetra mila hajaina eo am-pidirana ny birao fandatsaham-bato ny fampiasana ny “Gel désinfectant”, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanaovana arotava. Rehefa tafiditra ao anatin’ny birao fandatsaham-bato kosa, dia tsy maintsy mampidina ny arotava ny mpifidy, mba hahafahan’ny tomponandraikitra manao ny fanamarinana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Aorian’izay, mandray ny bileta tokana ny mpifidy ary miditra avy hatrany ao amin’ny efitrano fisainana. Efa misy penina voaomana ao amin’ny efitrano fisainana, araka ny fandaminana efa nataon’ny Ceni. Araka izany, tsy mitondra penina avy aty ivelany ny mpifidy vaventy mba ho fandaminana. Rehefa vita ny safidy dia mandrotsaka ny vato ao amin’ny vata mangaraharaha ny mpifidy vaventy. Ary manao Sonia ny lisitra. Toy ny fifidianana rehetra dia tsy maintsy manisy ny ranomainty tsy maty vonoina ny mpifidy mialohan’ny hivoahana ny birao fandatsaham-bato. Tsara marihana fa tsy azo atao ihany koa ny mitondra finday ao anatin’ny birao fandatsaham-bato.

Rehefa vita ny latsa-bato ka tapitra nifidy avokoa ireo mpifidy vaventy ao anatin’ny lisitra dia afaka miroso avy hatrany amin’ny fanisam-bato ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato fa tsy voatery hiandry ny amin’ny 5ora hariva, ora fikatonan’ny birao fandatsaham-bato.

Fampiasana ny bileta tokana

Amin’ny taratasy A5 avokoa ireo bileta tokana rehetra manerana ny Nosy, na ho an’ireo manana kandida tokana, na roa, na telo. Misy tsanganany telo ny Bileta (havia, afovoany, havanana). Havalona mankeo afovoany ny tsanganana avia sy ny tsanganana havanana. Rehefa vita izay, dia haforitra roa ilay bileta efa mahazo endrika lavalava iny. Tokony ho hita eo ivelan’ilay bileta ny sonian’ny mpikambana roa ao amin’ny birao fandatsaham-bato.

Fermer