Songadim-baovao

LAVANTY TANY ANGLETERA: Ny « Lot n° 51 » no nisy ny vakoka malagasy

Maro ny zavatra natao lavanty tao Londres, Angletera, afakomaly  ary tsy nisy nidiran’i Madagasikara ny ankamaroany fa ny « Lot n°51 » no mahakasika ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy nanintona antsika Malagasy. Vao nahita io famarotana ny entan’ny mpanjaka vavy teo aloha sy ny fianakaviany io ny Fanjakana malagasy dia nanapa-kevitra ny hanao izay hahazoana azy ireo. Fantatra fa tao anatin’io « Lot 51 » io dia nisy ilay akanjo tsara tarehin’i Printsesy Ramasindrazana izay nenitoan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III no sady mpanolotsaina ara-politikany tamin’ny fotoan’androny. Niara-nonina taminy nandritra ny sesitany tany ivelany koa io nenitoany io.  Nikambana tao anatin’io « Lot 51 » io koa ireo sary maro isan-karazany izay mbola tsy nisy nanana hatramin’izay ary niampy taratasy isan-karazany toy ny « carte postale »  nifanoratan’ny Mpanjaka. Fanampin’ireo ny diarin-dRamatoa Clara Herbert, ary ny ferapara fiambohon-dRanavalona III sy ny fitaovana vitsivitsy.

Tahirin-dRamatoa Clara Herbert…

Ny ankamaroan’ireo malagasy dia nanontany tena mahakasika ny nahatongavan’ireo fananan’ny Mpanjaka Ranavalona III ireo. Ara-tantara anefa, rehefa niamboho ny Mpanjakavavy ny taona 1917 dia mbola nijanona niaraka tamin’ny Printsesy Ramasindrazana i Clara Herbert ary niaina taminy tany amin’ny Alpes-Maritimes Frantsa. Ity farany izay avy any Irlande ary niasa naharitra ho an’i Mpanjakavavy Ranavalona III nandritra ny sesitany manontolo. Anisan’ny nampiavaka azy tamin’izany fotoana ny nifehezany ny teny anglisy, frantsay , Sinoa  ary indrindra ny teny malagasy.  Rehefa maty ny Printsesy dia niasa tao Nice Frantsa ho ana mpanankarena italianina i Clara Herbert. Niverina kely tany Ireland izy ary avy eo lasa nandeha nanao misionera protestanta tany Chine. Tetsy ankilany, notazomin’i Ramatoa Clara ho fahatsiarovana avokoa ny fitaovana sy ny fitafy nampiasain’ny fianakavian’ny Mpanjakavavy nandritra ny sesitany sy ny fandehandehanany rehetra tany ivelany tany.

Volana vitsivitsy lasa kosa,  nisy tamin’ireo fianakavian’ny taranaky Clara Herbert teo am-pifindrana trano no nahita vata nisy ireto zavatra ireto ary nanapa-kevitra ny hametraka izany tao amin’ny Tranon-davanty « Kerry Taylor Auctions » . Nataon’izy ireo « Collection privée » araka izany,  ireo entana ireo ka  nahatonga azy ho lavanty.  Marihina fa tsy nisy nahalala ny fisian’ireo fananana ireo mialoha isika Malagasy. Tsy mitovy velively amin’ilay « satro-boninahitry ny tatarom-piandrianana » izay tany amin’ny Fanjakana frantsay, ka tsy maintsy tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana no namerenana azy teto an-tanindrazana.

Nangonin’i Tsiferana (Mpianatra asa)

Fermer