Politika

FIFIDIANANA LOHOLONA: Kihon-dalana lehibe ho an’ny Firenena ny vaton’ny mpifidy vaventy anio

Araka ny fotoana efa nifanomezana, tonga ity ilay andron’ny 11 Desambra hanatanterahana ny fifidianana ireo handrafitra indray ny Antenimierandoholona manomboka amin’ny taona ho avy io. Azo sokajiana ho kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena, noho izany, ity andro anio ity satria mpikambana amin’ny Andrimpanjakana faharoa eto amintsika no hofidian’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina manerana ny Nosy anio, hatramin’ny 05ora hariva.

Ho fanajana izay voafaritry ny Lalàmpanorenana, tsy maintsy nirosoana ny fifidianana Loholon’I Madagasikara tamin’ity taona ity satria tapitra amin’ny 02 Febroary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny Loholona ankehitriny. Fandikan-dalàna ny fanitarana fe-potoam-piasana. Antony nahatonga ny Fanjakana sy ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ho nanomboka ireo dingam-pifidianana rehetra, volana vitsy mialohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona amperinasa.

Hanatanteraka ny safidiny ireo mpifidy vaventy amin’ity anio ity. Zavatra nanamarika ity fifidianana ity ny tsy fandraisana anjaran’ny avy amin’ny fanoherana. Tafiditra ao anatin’izany ny antokon’izay mbola amperinasa eo anivon’ny Antenimierandoholona ankehitriny, izany hoe ny HVM. Azo antoka, araka izany, fa rivotra politika vaovao indray no hitsoka eo anivon’ity Andrimpanjakana ity manomboka amin’ny taona ho avy io, na iza no ho lany eo na iza. Antenaina ny tsy hahatonga ity andrimpanjakana ity ho sakana amin’ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny firenena intsony. Zava-dehibe izany, indrindra amin’ny lafiny fampandrosoana satria ny Filoham-pirenena ankehitriny efa manana ireo vina marobe hahafahana mampandroso ny firenena, saingy mitaky Antenimiera afaka miara-miasa amin’ny Fanjakana foibe izany. Na izany aza, mila mipetraka amin’ny maha arofanina ny fahefana mpanatanteraka ihany ny Antenimiera roa tonta, fa tsy hanara-drenirano izay ataon’ny mpitondra, saingy kosa tsy tokony ho sakana amin’ny vinam-pampandrosoana tiana hapetraka eto amin’ny firenena.

Hihena ny vola miasa amin’ny Antenimierandoholona

Kihon-dalana lehibe ihany koa ny anio satria, Loholona 12 ihany sisa no ho fidian’ireo mpifidy vaventy hanampy isa ireo Loholona 6 ho tendren’ny Filoham-pirenena. Izany hoe, hihena ny isan’ny Loholona handrafitra ny Antenimierandoholona manomboka amin’ny taona ho avy. Raha tsiahivina dia politikan’ny Fanjakana ankehitriny manokana io fampihenana isa io mba hahafahana mampihena ihany koa ny tetibola miasa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Araka ny efa nazavaina ombieny ombieny, be loatra ny vola lany amin’ity Andrimpanjakana ity kanefa betsaka ireo asa laharampahamehana tokony ho atao ho an’ny vahoaka. Nilaza ny Filoha fa mahavita oniversite enina eto Madagasikara ny tetibolan’ny Antenimierandoholona raha toa ka hanaovana izany. Antony nahatonga ny Filoha nampanantena ny hanafoana ity Andrimpanjakana ity tamin’ny fotoanandrony. Tsy afaka nirosoana anefa io fanafoanana io noho ny pitsopitsony araka ny lalàna, fa ny fampihenana ny isa no azo nirosoana.

Araka ny fanazavan-dRajaobelina Soanaivo Jakoba, Président Comission Electoral Provincial Antananarivo, efa mipetrapetraka daholo ny fandaminana momba ity andron’ny fifidianana anio ity. Ary azo antoka ny fangaraharan’ny fifidianana satria  manana solontena isaky ny birao fandatsaham-bato avokoa ireo kandida rehetra.

Fermer