
Songadim-baovao
FAMPODIANA AN-TANINDRAZANA: Misy lamina avy amin’ny minisitera sy ny masoivoho
Tsy nataon’ny Fitondram-panjakana an-jorom-bala ireo teratany Malagasy taraiky any am-pitan-dranomasina, noho ny valanaretina Covid-19, sy ny fepetra fanidina sisin-tany, fa nandraisana fanapahan-kevitra manokana, hahafahana mampody azy ireny an-tanindrazana. Nanazava ny teo anivon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny fa hisy ny fiarahamiasan’izy ireo manokana amin’ny Masoivoho malagasy any ivelany, amin’ny fandaminana ny fampodiana.

Mihoatry ny 1600 ireo teratany Malagasy taraiky any ivelany, ka tsy maintsy haverina eto an-tanindrazana, araka ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Firenena 23 no nahazoana io isa io, ary efa mandeha ny rindran-damina amin’ny fampodiana azy ireo eto an-toerana. Ankehitriny, efa eo am-pelatanan’ny Minisitera tompon’andraikitra sy ireo Masoivoho isan-karazany ny lisitra, ka miankina amin’ny toe-draharaha sy ny fahasarotana iainana any amin’ny firenena misy azy tsirairay avy no hametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny fampodiana azy ireo. Mbola notsindrian’ny Filoha, ny alahady teo, rahateo, fa tsy vitsy ireo Malagasy no tsy nanana eritreritra ny hijanona maharitra any ivelany, fa nandeha nitsabo tena fotsiny ihany, na nianatra, na namita iraka. Ny sabotsy 15 aogositra izao, araka izany, ny andiany voalohany amin’ny fampodiana, ka hisy isan-kerinandro izany, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisitera.
Tsy maintsy atao fitiliana
Manoloana ny fanambaran’ny Filoha mahakasika ny fampodiana an-tanindrazana, ny alahady teo, nisy ny fepetra vitsivitsy nampahafantarin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Voalaza nandritra izany fa tsy maintsy maneho ny vokatry ny fitiliana PCR “mihiba”, tao anatin’ny 72ora farany, nialohan’ny niaingany, ireo Malagasy rehetra tonga eto Madagasikara. Ary koa, tsy maintsy atao fitiliana izy ireo eo am-pahatongavana. Noho izany, mandra-piandry ny valin’izay fitiliana izay dia tsy maintsy atoka-monina mandritra ny efatra andro aloha izy ireo. Afaka mamonjy ny fianakaviany kosa ireo manana valim-pitiliana mihiba.
Sidina isaky ny firenena
“Anjaran’ny mpandeha tsirairay no miantoka ny saran-dalan’izy ireo tsirairay avy. Manamora ny fampodiana sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana kosa no anjaran’ny Fanjakana malagasy”,
io no fampitam-baovao avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra. Nanamafy hatrany ny teo anivon’ny minisitera fa atao laharam-pahamehana ireo Malagasy efa tena miaina ao anaty fahasahiranana lalina amin’izao fotoana izao. Ny minisitera foibe sy ny masoivoho isam-pirenena, noho izany, no hiara-hanapaka ireo izay hampodiana mialoha. Omaly, nisy ny fampahafantarana nataon’ny minisitera mahakasika ireo toerana rehetra, hahafahana mandray ny sidina, isaky ny firenena tsirairay avy. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny sidina miainga ao Pretoria, ao Afrika Atsimo. Ireo Malagasy taraiky any Afrika Atsimo, Malawi, Mozambika, Namibia, Botswana, Zimbabwe, Zambie, Angola, Lesotho, Swaziland, Tanzanie, République Démocratique de Congo, Rwanda, Burundi, SADC, araka izany, dia afaka mandray io sidina miainga ao Prétoria io. Toy izany koa, hisy ny sidina hiainga ao Alger (Algérie), ao Berlin (Allemagne), ao Riyad (Arabie Saoudite), ao Bruxelles (Belgique), ao Ottawa (Canada), ao Beijing (Chine), ao Washington (Etats-Unis d’Amerique), ao Addis Abeba (Ethiopie), ao Paris (France), ary ao Port Louis (Maurice).




