Songadim-baovao
ADY AMIN’NY KERE : Nirosoana ny fitsaboana ireo marary vokatry ny tsy fahampian-tsakafo

Misy foana ny torohevitra sy torolalana omena ireo miaramila any an-toerana mba hahafaha-mampandroso ny asa hahitana vokatra azo tsapain-tanana. Mitohy hatrany ny fanisam-bahoaka ahafaha-mahafantatra ireo rehetra marefo noho ny tsy fahampian-tsakafo. Mandeha mitety kaominina maro ireo avy ao amin’ny ekipan’ny BMM3 miaraka amin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, mba hahafahana mijery ifotony azy ireo ka lanjaina sy refesina ireo zaza, ankizy sy olon-dehibe, hahafaha-misokajy azy ireo. Tsy izany ihany anefa no imasoany fa eo koa ny resaka fitsaboana satria maro ireo marary vokatry ny tsy fampian-tsakafo ka omena fitsaboana sahaza azy ireo ary misy ny fanafody, izay omena maimaimpona amin’izany. Izany rehetra izany dia eo ambany fandrindran’ny CCOK, izay voatendry ho mpitantana izao asa goavana izao, ary tarihin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard. Tsy izay ihany no andraikitra sahanin’ireo miaramila fa mandray an-tanana ny fandriampahalemana any an-toerana koa izy ireo satria mety hisy ny mety ho fanararaotana manoloana ny hanoanana. Misy, araka izany, ny “patrouille” ataon’izy ireo hiarovana ny vahoaka sy ireo fanampiana taterina ary ny toerana hitobian’ireo mpisehatra. Ho fanatrarana hatrany ny vina napetraka tamin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ho fametrahana ny fanovan-drafitra eo anivon’ny Tafika no nanaovana izao fanakaikezana hatrany ny vahoaka izao.




