
Fanadihadiana ManokanaPolitika
FIFIDIANANA LOHOLONA: 92% ny taham-pahavitrihana nanerana ny Nosy
Tontosa tamin’ny antsakany sy andavany ny fifidianana Loholona nanerana an’I Madagasikara omaly tontolo andro. Tsy nisy ny olana goavana, araka ny tatitra avy tamin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Navitrika ihany koa ireo mpifidy vaventy tamin’ny fanatanterahana ny adidy, ka nahazoana ny salanisa 92%. Efa mifantoka any amin’ny fikirakirana ireo voka-pifidianana ny tomponandraikitry ny Ceni ankehitriny.

Tamin’ny 6 ora maraina no nisokatra ireo biraom-pifidianana rehetra nanerana ny Nosy omaly. Nialoha izany anefa, natao antsapaka ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato miisa roa hanao ireo sonia ao ambadiky ny bileta tokana. Nosokafana ihany koa ary nohamarinina teo imason’ireo mpanaramaso fifidianana sy ireo solontenan’ny kandida ireo fitaovana sy antontan-taratasin-datsabato isakarazany (bileta tokana, PV, feuilles de dépouillement, lisitry ny mpifidy vaventy, valopy, sns). Tsy maintsy nohamarinina tsirairay koa ireo taratasy fahazoan-dalana hanaramaso fifidianana. Ary nohamarinina fa vata mangarahara tsy misy na inona na inona no ampiasaina ary nohidiana ampahibemaso izany.
Araka izany, nizotra tamin’ny antsakany sy andavany ny fifidianana nanerana ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara. “92% ny taham-pahavitrihana nanerana ny Nosy”, hoy ny Talen’ny Haitao ara-kajimirindra eo anivon’ny Ceni. Distrika 12 amin’ireo no nahazoana taham-pahavitrihana 100%. Teto amin’ny Faritanin’antananarivo no ambany indrindra ny taham-pahavitrihana, amin’ny salanisa 83%. Tsy arakarak’ireo karazana kiana sy sakantsakana maro samihafa, noho izany, fa tonga nanatanteraka ny adidiny avokoa ireo mpifidy vaventy maro an’isa, nandritra ny fifidianana izay ho Loholon’I Madagasikara vaovao indray, omaly.
Manana fito andro ny Ceni
Mahakasika ny fikirakirana ny voka-pifidianana kosa, nilaza ny tomponandraikitra fa mizara ekipa vitsivitsy ny fikirakirana ny voka-pifidianana eo anivon’ny Ceni. Misy ny « équipe d’exploitation », izany hoe, misy olona hitrandraka sy hijery ny fahamarinan’ireo voka-pifidianana rehetra, mitaha amin’ny fitananana an-tsoratra. Misy koa « équipe informatique » izay handray ny voka-pifidianana amin’ny alalan’ny sary, alaina amin’ny SmartPhone, avy any amin’ny biraom-pifidianana tsirairay avy. Tsara ho fantatra fa efa nisy fitaovana manokana nomen’ny Ceni ireo lehibena Cid na « Centre informatique de Distrika », efa misy « logiciel » mandefa ny sarin’ilay fitanana an-tsoratra. Fitaovana izay efa nampiasaina tamin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra.
Manana hatramin’ny dimy andro, noho izany, ny avy eo anivon’ny SRMV tsirairay handefasana ny fitanana an-tsoratra na ny PV ao amin’ny Ceni foibe. Fito andro kosa no hananan’ny Ceni aorian’ny fandraisana ny PV farany, hamoahana ny vokatra vonjimaika isaky ny Faritany. Manana 15 andro kosa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, aorian’ny famoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika, hamoahana ny vokatra ofisialy, araka ny fanazavana, avy tamin’ny Ceni hatrany.
Hatramin’ny 11ora atoandron’ny omaly, nilaza ny mpanaramaso fifidianana “Safidy”, tamin’ny alalan’ny solontenany tao amin’ny Biraom-pifidianana teny amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo fa tsy nisy ny olana goavana na koa lesoka tamin’ny fizotran’ny fifidianana tamin’ny ankapobeny. Araka ny nambaran-dRamatoa Tinah, solotenan’ny mpanaramaso fifidianana “Safidy”, dia olona iray no tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ny anarany, ka tsy afaka nifidy. Tetsy ankilany, mpifidy iray ihany koa no tsy nitovy ny anaran’ny ray aman-dreny. “lavabe ilay anarana nefa ny tao anaty lisitra fohy, dia mbola nohamarinina, niankina tamin’izay fanamarinana izay no nahafahana nifidy na tsia”, hoy ny Filohan’ny birao fandatsaham-bato tao an-toerana, Hanitriniaina Vonisoa.
Ny marain’ny omaly no nanatanteraka ny adidiny teny amin’ny Biraom-pifidianana teny Nanisana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriatsitohaina. Nambarany fa zava-dehibe ity fifidianana ity satria hamaritra indray ireo handrafitra ny Antenimierandoholona manomboka amin’ny taona ho avy. “Ilaina ny Loholona, ary miandry azy ireo isika izao”, hoy ny fanambarany. Manoloana ny tsy fandraisana anjaran’ny antoko sasany, nilaza ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina fa tany demokratika I Madagasikara, ka izay lany tamin’ny fifidianana no tokony ho eken’ny rehetra. Tsy manamaivana ny lanjan’ny fifidianana natao mihitsy, hoy izy, ny tsy fandraisana anjaran’izy ireny.

FIRONAN’NY VOKA-PIFIDIANANA: Iza avy ireo mety ho mpikambana vaovaon’ny Antenimierandoholona ?
Vokatry ny fomba fiasa vaovao teo anivon’ny Ceni, omaly hariva ihany dia saika tonga tao amin’ny foibe avokoa ny sarin’ny fitantanana an-tsoratra avy tamin’ireo biraom-pifidianana 114 nanerana ny Nosy. Niainga avy tamin’ireo PV ireo no nahafahana nijery ny fironan’ny voka-pifidianana, na ilay antsoina ihany koa hoe “tendance”, ka nahafahana nitsirika sahady ireo mety hivoaka mpandresy tamin’iny fifidianana Loholona omaly iny. Na izany aza, mbola tsy maintsy handrasana ny vokatra vonjimaika avy amin’ny Ceni. Ary indrindra koa, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tompon’ny fanapahankevitra farany, amin’izay hihazo ny Lapa Maitson’Anosikely manomboka amin’ny fiandohan’ny taona ho avy io.

Mihamazava ny fironana
Araka izany, toy ireto manaraka ireto ny fironan’ny voka-pifidianana hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva. Ho an’ny Faritanin’Antananarivo, efa azo avokoa ny voka-pifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato 20 teto an-toerana, ka nitarika amin’izany ny lisitra kandida IRMAR, Razafimahefa Herimanana, amin’ny salanisa 63,19%. Ho an’ny Faritanin’I Toamasina kosa indray, efa azo avokoa ny voka-pifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato 18 nisy tany an-toerana, ka nitarika tamin’izany ny lisitra Kandida IRMAR, Manasoa Donat Tang, tamin’ny salanisa 52,72%. Raha ho an’ny Faritanin’I Toliara kosa indray, biraom-pifidianana 20 tamin’ireo 21 nisy tany an-toerana no nahazoana vokatra, ka nitarika tamin’izany ny lisitra kandida IRMAR, Eongobelo Jean Marcel, tamin’ny salanisa 74,18%. Mahakasika ny Faritanin’Antsiranana kosa, vokam-pifidianana avy tamin’ireo birao fandatsaham-bato 9 tany an-toerana no efa azo avokoa, ka lohalaharana tamin’izany ny lisitra Kandida IRMAR, Seramila Avizara Mino, tamin’ny salanisa 72,75%. Ho an’ny tao amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa, nisongadina tamin’ny salanisa 91,33% ny kandida avy amin’ny IRMAR, Rasolondratsimba Raymond, vokatra azo avy tamin’ireo biraom-pifidianana 25 nisy tany an-toerana izany. Ho an’ny tao amin’ny Faritanin’I Mahajanga, izay tsy nisy afatsy kandida tokana, lany 100% ny kandida IRMAR, Alidy Bin Soulou, vokatra azo tamin’ireo biraom-pifidianana 20 tamin’ireo 21 nisy tany an-toerana.
Enina tendren’ny Filoha
Araka izany, efa saika madiva ho azo 100% avokoa ireo vokatra avy tany amin’ireo birao fandatsaham-bato rehetra isaky ny Faritany. Izany hoe, mety tsy hahitana fiovany be intsony ireo fironana azo hatramin’ny omaly ireo. Araka izany, tsara toerana hihazo ny Lapa Maitson’Anosikely hatreto ireo kandida miara-dalana amin’ny Filoham-pirenena. Tsara ho fantatra, fa roa isaky ny Faritany no fidiana tamin’ity fifidianana Loholona ity, ary mbola hisy koa enina ho tendren’ny Filohan’ny Repoblika aorian’izay, hahafeno ireo 18 handrafitra vaovao indray ny Antenimieran-doholona.