PolitikaSongadim-baovao
TETIBOLAM-PANJAKANA 2021: Niverina tamin’ny endriny nandanian’ny Depiote azy
Ny herinandro lasa teo no nandalo tetsy amin’ny Antenimieran-doholona Anosy ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2021. Nolanian’ireo Loholona ity LFI 2021 ity, niaraka tamin’ny fanintsiana telo. Ny sabotsy teo, niverina namaky fanindroany indray ity volavolan-dalàna ity ireo Solombavambahoaka, ka namerina indray ny endrik’izany tamin’ny nandanian’izy ireo izany tamin’ny voalohany.
Fanintsiana telo no nentin’ny Loholon’I Madagasikara tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2021, ny herinandro teo. Isan’izany ny fampiakarana ho 20% ny TVA alaina amin’ny entona fandrehitra, na gaz, izay 5% no nanaovana azy tao amin’io volavolan-dalàna io. Teo koa ny fanenana ny vola entin’ny Antenimieran-doholona hiasa amin’ny taona 2021, entina hamenoana ny vola azo amin’ny fampiakarana ny TVA an’ny entona fandrehitra hahafahana manampy ny vola hanaovana ny vaksiny ny reny bevohoka sy ny zaza. Mbola fanintsiana nentin’ny Loholona koa ny fanoratana ny “Provision” sy ny “operation d’investissement” an’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola any amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono mba hanamafisana ny fanatsarana ny voka-bary sy ireo fananganana indostria manodidina ny resaka vary eto amin’ny firenena.
Ny Sabotsy teo, niverina nandinika fanindroany ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nandritra izany, nolavin’ny Solombavambahoaka avokoa ireo fanintsiana nentin’ny Antenimierandoholona. Niainga tamin’ny fivorian’ny vaomiera itambarambe, ary nitohy tamin’ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina taorian’izay. Lany nandritra izany fa ho tazonina amin’ny endriny nandanian’ny Antenimieram-pirenena azy ity LFI 2021 ity. Miisa 78 ireo depiote nanatrika sy nandany izany.
Diso fomba fijery
Raha tsiahivina, ankoatran’ireo fanintsiana nentin’ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona, nisy koa ireo voalaza fa soso-kevitra nentin’izy ireo mba handraisan’ny Governemanta fepetra eo amin’ny lafiny famolavolana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Eo koa voalaza fa soso-kevitra ny amin’ny tokony hijerena ny politika ankapobeny momba ny fitantanana mitovy ny Faritra, fampihenana ny tetibola natokana ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mba hanampiana ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Eo koa ny fampiatoana vonjimaika ireo fakana hetra (impôt, taxe, frais d’enregistrement) amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. Eo amin’ny lafiny fandaniam-bola, naneho soso-kevitra ireo loholona ny amin’ny tokony hampitomboana ny isan’ny mpiasa misahana ny fahasalamana, fanohanana ara-bola ny sekoly tsy miankina, fampiakarana ny RPI an’ny famatsiana ara-bolan’ny tetikasa momba ny fambolena, famaritana ny tetibola momba ny fifidianana izay any amin’ny Ceni.
Raha ireo soso-kevitry ny senatera ireo no jerena dia tsikaritra ho diso fomba fijery ihany izy ireo amin’ny fomba nandrafetan’ny Governemanta ity volavolan-dalàna ity. Toa te hilaza fa tsy manao ho laharam-pahamehana ny lafiny sosialy ny Governemanta kanefa tsara ho fantatra fa nampiakarina hatramin’ny 31,9% ny fandaniam-bola eo amin’ny lafiny sosialy ao anatin’ity volavolan-dalàna ity, raha 27,5% tamin’ny taona 2020. Momba ny fanabeazana, hirosoana ny fiantsorohana ny saram-pidiran’ireo mpianatra any amin’ ny Sekolim-panjakana fototra sy ny karaman’ ireo mpampianatra FRAM. Misongadina ao anatin’ity volavolan-dalàna ity koa finiavan’ny Fanjakana foibe hametraka politikam-pitsitsiana eto amin’ny tany sy ny firenena, amin’ny alalan’ny fampihenana 10% ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny minisitera rehetra. Eo koa ny fampiakarana ho 25 miliara Ariary ny vola fanampiana ny Kaominina. Ampahany ihany ireo fa maro ireo tetibola natokana ho an’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka mivantana, izay inian’ny Senatera sasany tsy nasiana resaka akory.




