SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY TSY FANJARIANTSAKAFO: Nanolotra 100 tapitrisa dolara ny Amerikanina
Naneho fahavonona hiara-hiasa amin’ny Fanjakana Malagasy ry zareo Amerikanina momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, ka nanolotra vola mitentina 100 tapitrisa dolara ho fanampiana an’i Madagasikara. Omaly no nambara tamin’ny fomba ofisialy izany, tamin’ny alalan’ny Masoivoho amerikanina monina sy miasa eto amintsika, Michael P. Pelletier, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Efa 36 taona izao ny governemanta amerikana, amin’ny alàlan’ny USAID, no miara-miasa amin’ny Fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana, manatsara ny fahasalamana sy fiaimpiainan’ny vahoaka malagasy. Mbola mitohy io fiaraha-miasa io amin’izao fotoana. Omaly, teo anatrehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nanambaran’ny Ambasaoro amerikana Michael P. Pelletier, ny famatsian’ny USAID vola mitentina 100 tapitrisa dolara hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Araka ny fanadihadiana, izao famatsiam-bola izao dia tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny paikadin’ny fanjakana malagasy, amin’ny fohy ezaka sy antenatenan’ezaka ary lavitr’ezaka, mahakasika ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo. Eo anatrehan’izany, tetikasa telo no hisitraka ity fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana ity. Ny tetikasa “Firangà” izay hitondra fanampiana vonjy maika mitentina 10 tapitrisa dolara ho an’ny mponina maherin’ny 167.000 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy. Ity tetikasa ity dia hitondra fitsaboana ihany koa ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny tetikasa “Maharo”, mitentina 45 tapitrisa dolara, dia haharitra dimy taona ary hiantoka ny filàna ara-tsakafo ho ana mponina marefo miisa 279.000 ao Atsimo Andrefa sy Androy. Ny tetikasa « Maharo » dia hanatsara ihany koa ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ireo mponina. Ny tetikasa fahatelo dia ny tetikasa “Fiovana” izay mitentina 45 tapitrisa dia haharitra dimy taona ary hentina hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny mponina maherin’ny 428.000 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ny CRS sy ny ADRA no hiantoka ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo miaraka amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny fanjakana Malagasy.
Vahaolana maharitra
Teo anatrehan’izany, nankasitraka ny fiaraha-mientan’ny governemanta amerikana amin’ny ady amin’ny kere any atsimo ny Filoha Andry Rajoelina. Ankoatra ireo fanampiana vonjy maika ireo dia misy ihany koa ny vahaolana maharitra izay hapetraka ny Fitondram-panjakana Malagasy any Atsimo, araka ny nambaran’ny Filoha. Anisan’izany ny fametrahana ireo fotodrafitrasa fitarihan-drano sy ny tetikasa « titre vert » izay hahafahan’ireo fianakaviana mivelona sy hahaleo-tena. Eo ihany koa ny fanentanana ireo renim-pianakaviana amin’ny fandrindram-piterahana. Mila manova paikady isika hoy ny Filoha mba hahomby ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hamongorana tanteraka ny kere any Atsimo.
Tsara marihana fa izao tetikasa izao dia mifanindran-dalana ihany koa amin’ireo tetikasa vonjy taitra mitentina maherin’ny 10,5 tapitrisa dolara izay vatsian’ny governemanta amerikana vola ary tanterahan’ny Programme Alimentaire Mondial sy ny UNICEF, ahitana fanampiana ara-tsakafo milanja 8.330 taonina sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy madinika, mitentina 2,5 tapitrisa dolara.



