SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAHASALAMAMBAHOAKA : Mifaingosela ny 10%-n’ny Malagasy
Mbola fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny ady atao amin’ny faingosela, na ny drepanositozy. Araka ny fanadihadiana, ny 10%-n’ny Malagasy no mifaingosela. Mbola betsaka ihany koa no tsy mahalala tsara ity aretina ity. Antony nahatonga ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka nanatanteraka atrikasa fankatoavana paikady nasionaly ho an’ny ady atao amin’ny faingosela na ny drepanositozy.
5%-n’ny mponina manerantany no mifangosela na mararin’ny drepanositozy. Ho antsika eto Madagasikara manokana, nilaza ny teo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra fa ny 10%-n’ny Malagasy no tratran’izany. Izany hoe, manodidina ny Malagasy 800 000 eo ho eo. Ny olona any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy iny no tena betsaka tratran’io aretina io satria ny 18,5% ny mponina any an-toerana dia miaina ao anatin’izany avokoa.
Tsara ho fantatra fa aretin’ny selamena ny faingosela. Mety hiteraka fahatapahan’ny lalan-drà na hahatonga tsy fahampian’ny rà ao amin’olona iray io aretina io, ka mahatonga fahavoazan’ny taova maro, raha ny fanazavana. Marihana fa aretina manaranaka ny faingosela ary aretina anisany betsaka voatily indrindra maneran-tany. Azo atao tsara anefa ny misoroka ity aretina ity sy ny fahasimban’ny taova amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana aloha indrindra sy ny fahaiza-mitondratena ka hahatonga ireo mifaingosela hiaina tahaka ny olona rehetra. “Ny fitsaboana ireo marary tratry ny fahasarotana mantsy dia tena sarotra sy maharitra ary andaniana fotoana sy harena, miantraika any amin’ny saina mihitsy aza. Mbola maro anefa ankehitriny ireo mitondra ity tarazo ity no tsy mahalala akory izay tokony hataony”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka.
Ankizy 5 maty nandritra ny fihibohana
Noho ireo antony ireo indrindra, nandrafitra paikady nasionaly ho an’ny ady atao amin’ny faingosela ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, niaraka tamin’ireo Mpiantsehatra rehetra miady amin’ny Faingosela. Tanjona amin’izany ny hampihena ny tranga sy ny taham-pahafatesana vokatry ny faingosela. Notanterahina omaly, noho izany, ny atrikasa fankatoavana ity paikady ity izay mizara roa lehibe. Paikady voalohany ny fanolorana fahalalana momba ny faingosela, fanamorana ny fitiliana, fanomezana tolotra ara-pahasalamana sahaza ho an’ireo marary. Faharoa kosa ny fandrindrana tsara ny ady atao amin’ny alalan’ny fikarohana ireo mpiaramiasa sy ny enti-manana hampahomby ny ady.
Nilaza ny Profesora, Rakoto Alison Olivat, izay manam-pahaizana manokana momba ny drepanositozy, fa mbola mila ezaka goavana isika eto Madagasikara raha ny ady amin’ny faingosela no asian-teny. Nambarany fa tao anatin’ny fihibohana fotsiny dia ankizy dimy no matin’ny faingosela. Ary vao nisy ankizy iray hafa maty indray tamin’ny tapa-bolana lasa. Midika izany fa mbola tena misy eto amintsika ity aretina ity, ary mamono.
LR sy Tsiferana (Mpianatra asa)




