SamihafaSongadim-baovaoSosialy

TAMBIN-KARAMA COVID-19: Efa nandray tambin-karama avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana

Manoloana ny vaovao miely tany amin’ny tambazotra serasera mahakasika ny tambin-karama noraisina tamin’ny fiatrehana ny COVID-19 ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa manerana ireo toerana nandraisana an-tanana ireo marary, nitondra fanazavana manokana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Dokotera Rasamoelina Fanjambololoniaina Dominique, omaly. Araka ny fanazavany, mpanao gazety vahiny no nifampiresaka tamin’ny olona mitonona ho mpikambana ao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Voalaza tao anatin’izany fa tezitra avokoa ny mpiasan’ny Fahasalamana, noho ny tsy fahazoana ny tambin-karama tamin’ny fiatrehana ny Covid-19. Voalaza tao anatin’izany koa fa manakatom-baravarana amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny Minisitera tomponandraikitra. Nanda izany anefa ny teo anivon’ny Minisitera, ary nilaza fa tao anatin’ny telo volana farany aza, tsy nisy fangatahana fihaonana avy amin’izy ireo voarain’ny Minisitera.

Teo anatrehan’izany, nanamafy ny Minisitera fa efa nahazo tambin-karama avokoa ireo mpiasan’ny Fahasalamana, na mpitsabo mpanampy na dokotera, na mpandraharaha, na ny « agent d’appui », izay nandray an-tanana ireo marary voan’ny Covid-19 nitoetra sy notsaboina teny amin’ny hopitaly. Tamin’ny fotoana nisian’ny « Pic épidémique » no nandraisan’izy ireo izany. Isany nahazo tambin-karama ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana izay niasa an-tsitrapo tao amin’ny CMC-19 Village Voara, sy ny CTC-19 Ivato. Voaporofo izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, satria ireo rehetra nahazo tambin-karama dia  nanasonia « fiche de paiement » avokoa.

Fermer