PolitikaSongadim-baovao

ORINASA JIRAMA: Kamiao telo hofaina 567 tapitrisa ariary?

Raha misy orinasa iharan’ny tsy fankasitrahan’ny vahoaka indrindra dia ny Jirama no voalohany, amin’izao fotoana izao. Ankoatran’ny olan’ny fahatapahan-jiro sy rano, izay zary efa mahazatra ny mponina, fantatra ihany koa izao fa anjakan’ny tsy fahaiza-mitantana ity orinasam-panjakana ity ankehitriny. Tonga hatramin’ny fanofana kamiao iray amin’ny sarany 2,7 tapitrisa ariary isanandro, ho famahana ny olan’ny rano, araka ny voalaza.

567 tapitrisa ariary. Io no fitambaran’ny vola tsy maintsy ho aloan’ny Orinasa Jirama ho fanofana kamiao mpitatitra rano miisa telo, ao anatin’ny telo volana (Febroary, Marsa, Aprily). Niainga tamin’ny taratasy fifanarahana nisy teo amin’ny Orinasa Jirama, sy ny Orinasa tsy miankina iray no nahazoana io vaovao io. Araka ny voalazana ao anaty taratasy fifanarahana hatrany, ao anatin’ny 90 andro no hanofan’ny Jirama ireo kamiao mpitatitra rano miisa telo ireo. Ka ny iray amin’ireo dia hiasa isanandro, 24ora amin’ny 24ora, amin’ny ofany 2,7 tapitrisa. Izany hoe, 243 tapitrisa no ho ofan’io kamiao iray io ao anatin’ny 90 andro. Ho an’ireo kamiao roa hafa kosa, hiasa 16ora amin’ny 24ora, amin’ny ofany 1,8 tapitrisa isanisany. Izany hoe, tafiakatra 324 tapitrisa ny ofan’izy roa ireo ao anatin’ny 90 andro. Raha jerena ireo tarehimarika ireo dia tsikaritra ho midangana, ary tsy mifanaraka amin’ny toerana misy ity orinasam-panjakana ity ankehitriny mihitsy. Mipetraka àry ny fanontaniana, tsy fahaiza-mitantana ve manjaka ao amin’ny Jirama? Sa ny mpitantana mihitsy no manao fanahy iniana amina fampiasam-bola tsy ara-drariny tahaka ireny?

Noresahin’ny Solombavambahoaka…

Anisany namaky bantsilana ity tranga ity ny Solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy tao Miarinarivo, nandritra ny fihaonana teo amin’ny mambran’ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nitaky ny tokony hisian’ny fanaovana tombana ho an’ireo mpitantana ny Jirama ny tenany. Nitsotra ity tomponandraikitra ity fa misy fitantanana tsy ara-dalàna ao amin’ity orinasa ity. Noresahiny ampahibemaso teo anatrehan’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka namany, ity fanofana kamiao hatramin’ny 567 tapitrisa ariary ity. Tetsy ankilany, nanamafy ny Jirama fa noho ny Hamehana amin’ny famahana ny olan’ny rano eto Antananarivo no tsy maintsy nidirana tamin’iny fifanarahana iny. Voalaza fa tokony efa ho hatramin’ny volana Jolay 2019 no nisy ny fanofana kamiao nataon’ny Jirama. Kamiao lehibe efatra kosa no efa nofaina hatreto, ary izao vao nitohy amin’ny fanofana kamiao telo vaovao izao indray . Manoloana ity ofana kamiao midangana be ity, nilaza ny teo anivon’ny Jirama fa efa nanapa-kevitra ny hividy kamiao manokana ny orinasa mba hialana amin’ny fandaniana be loatra.

Fermer