PolitikaSongadim-baovao
FIAMPANGANA ENY AMIN’NY HCJ : Tsy nampiraika ireo Depiote hatramin’ny faran’ny fotoam-pivoriana
Raharaha mafana mahakasika olona ambony miisa 12 no eo am-pelatanan’ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo. Araka ny voalazan’ny lalàna, ity vaomiera manokana ity no misahana ny fandinihana sy fanaovana fanadihadiana momba ireo dosie ireo. Ary izy avy eo no manao tatitra eo anatrehan’ny fivoriana itambaram-ben’ireo depiote rehetra, hanapahana ny fandefasana ny raharaha hotsaraina eo anoloan’ny Fitsarana Avo na tsia. Nihevitra ny rehetra fa ho fantatra tao anatin’ity fivoriana ara-potoana faharoan’ny Solombavambahoaka ity avokoa ny ho avin’ireo raharaha rehetra ireo. Tsy izany anefa no nisy, fa toa tsy nampiraika ireo depiote akory ny handinika sy handray fanapahankevitra ny amin’izany, hatramin’ny faran’ny Fotoam-pivoriana, izay hifarana anio. Raha tsiahivina, efa in-telo nahemotra ny fotoana hanaovan’ny Vaomiera manokana ny tatitra teo anatrehan’ny Depiote. Ny Alatsinainy 14 Desambra teo, ny volavolam-pehi-kevitra laharana 66-2020, miampanga an’Atoa Reboza Julien no hany tokana dosie nanaovan’ny Vaomiera tatitra. Efa vita tamin’io andro io koa ny adihevitra rehetra mahakasika izany. Ny tsy fahatrarana ny fetrisa teo amin’ireo Solombavambahoaka anefa no tsy nahafahana nandray ny fanapatahan-kevitra momba ny fandefasana ny raharaha eny amin’ny Fitsarana Avo na tsia.
Mihemotra amin’ny volana Mai
Nihemotra omaly indray, araka izany, ny fandinihana sy ny tokony fandraisana fanapahankevitra mahakasika io dosie iray io. Tsy izay anefa no zava-nitranga fa efa sady nisy fahatarana ora maro ny tokony hanombohan’ny fivoriana itambarambe no mbola tsy tonga nanatrika hamenoana ny fetr’isa tokony ho tratrarina hatrany ihany koa ireo depioté. Araka ny fanazavana, 44 ihany izy ireo no tonga. Noravana avy hatrany ny fivoriana, tsy nisy ny tatitra nataon’ilay komisiona manokana. Nilaza ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa tsy afaka miroso ny asa raha tsy feno ny salanisan’ny Depiote tonga. Araka izany, hahemotra any amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka ity raharaha ity. Marihana fa isaky ny fivoriana ara-potoana ihany no hahafahana mandinika ireo raharaha ireo. Izany hoe, hihemotra amin’ny volana Mai indray ny handinihana azy.
Misy mampiasa vola…
Azo ambara ho efa nampoizina ihany anefa izao ataon’ny Solombavambahoaka izao. Araka ny loharanom-baovao mantsy, mampiasa vola amin’ireo depiote sasantsasany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ireo olona ambony voakasika ireo. Tanjona ny mba tsy hahatanteraka ny tatitry ny kaomisiona manokana. Ary indrindra ny tsy hahafahan’ireo Depiote rehetra mandray fanapahan-kevitra momba ny raharaha. Efa misy anarana depiote vitsivitsy voatonona manokana mihitsy mahakasika izany. Misy amin’izy ireny no manizingizina ny tsy fitanilanana manoloana ireo raharaha ireo, kanefa ny asa sy ny fihetsika manodidina ny fiampangana ireo voarohirohy ireo dia manambara fiarovana sy fiandaniana.




