PolitikaSongadim-baovao
ASA FANAOVAN-GAZETY: Hivory voalohany amin’ny talata izao ny vaomiera ikambanana isasahana
Nitondra fanazavana mahakasika ny firosoana amin’ny fifidianana birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao gazety, tamin’ireo mpanao gazety tao Ambalavao ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, omaly, notarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Nohazavaina nandritra izany fa efa mitsangana ilay Vaomiera ikambanana isasahana, izay hisahana ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety, amin’izao fotoana. Amin’ny talata ho avy izao no hivory voalohany ity vaomiera ity. Nohamafisin’ny Minisitra fa nanaraka tsara ny lalàna avokoa ny pitsopitsony sy ny antsipiriany rehetra tao anatin’ny fananganana ny “Comission mixte paritaire” io. Ny minisitera ankehitriny, hoy izy, no nametraka fa ny filohan’ny OJM ho mpikambana avy hatrany ao anatin’izany vaomiera izany, miaraka amin’ny mpanao gazety roa hafa avy amin’ny holafitra. Isany mpikambana ihany koa ny solontena iray avy amin’ny mpanao gazety zokiolona, miampy tompona haino aman-jery roa, sy solontena iray avy amin’ny Minisitera.
Lf 2020-006…
Notsindrian’ny Minisitra fa miantoka tanteraka ny fahalalahan’ny mpanao gazety ny Lalàna vaovao mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery (Lf 2020-006). Nambarany fa manamafy ny fahefan’ny OJM ny andininy maro ao amin’io Lalàna io. Tanjona mba hoe ny OJM no hitantana ny mpanao gazety. Nomarihin’ny minisitra koa fa ny ANRCM no hisahana ny fitantanana ny Orinasan-tserasera, ny fanomezan-dalàna sy ny sisa, araka ny voalazan’ny lalàna vaovao. Mipetraka ho mpiahy ny mpanao gazety sisa ny Minisitera, hoy ny Minisitra. Arofenitra ho an’ny mpanao gazety tsy ankanavaka io lalàna io hoy ny Minisitra ary hamaritra ny ho avin’ny mpisehatra tsy an-kanavaka.



