SamihafaSongadim-baovaoSosialy

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐋𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎 : Tafapetraka ny vato fototry CSB II ao Ambatolampy

“Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra”, io Velirano fahadimy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka malagasy. Betsaka ny asa efa natao hahatrarana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampitaovana ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana maro nanerana ny Nosy, ary ny fananganana fotodrafitrasa vaovao. Mahakasika izay indrindra, fararanon-danonana ny tao amin’ny Distrikan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra, ny 17 Desambra 2020 lasa teo. Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny tany an-toerana tokoa mantsy ny vato fototra hananganana ny CSB II Manarapenitra sy ny Lapan’ny TanĂ na ao Ambatolampy. Nahazo fiara vaovao fitaterana marary (Ambulance mĂ©dicalisĂ©e) ihany koa ny CHRD Ambatolampy.

Manampy be ny vahoaka sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny fahazoana CSB Manarapenitra sy fiara vaovao mpitondra marary toy izao, araka ny fanazavana. Nilaza ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hanampy betsaka amin’ny vonjy voina sy ny fitaterana ireo marary mila fitsaboana haingana hamonjy Tobim-pahasalamana lehibe, ireo asa nataon’ny Fanjakana ireo. Tsara marihana fa anisany haharenesana lozam-pifamoivoizana matetika ny Lalam-pirenena fahafito. Tetsy ankilany,  nohantintranterin’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa nanoloana ireo Mpiasan’ny fahasalamana marobe izay tonga nanatrika ny fotoana ny hampiharana hatrany ny fitsaboana manaja ny mahaolona sy ny ady amin’ny kolikoly ary indrindra ny fanajana ny fananana iombonana haharitra ho lovain-jafy.

Nanome voninahitra ireo lanonana maro sosona ireo, ny Minisitra telo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nahitana an’ Andriamatoa isany, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Minisitry ny Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono. Tsikaritra nandritra izao fandalovana tany an-toerana ihany koa fa mizotra tsara ny fananganana ny Kianja Filalaovam-baolina manarapenitra.

Fermer