SamihafaSosialy

FIARAHANA TETSY ALASORA: Nampiseho firaisankina ny mpanao gazety

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fizotry ny fiainam-pirenena ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Asa saropady sy masina io asa io, ka ilàna fahamalinana avy amin’ireo mpisehatra ao anatin’izany. Ho an’ity taona ity manokana, niantraikany betsaka tamin’ny fanatanterahana ny asan’ny mpanao gazety ny fisian’ny Covid-19. Noho izany indrindra, nisy ny fiarahana nataon’ny mpanao gazety rehetra tetsy Alasora ny faran’ny herinandro teo. Nampiseho firaisankina ny mpanao gazety, maro ireo namaly ny antso…

Taorian’ny krizy nateraky ny fandalovan’ny Covid-19 teto amintsika, maro ireo sehatra tojo fahasahiranana ka isan’izany ny teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Tsy nikely soroka anefa izy ireo fa niezaka hatrany nitatitra ny vaovao rehetra teny amin’ny fiarahamonina. Ho fialana voly sy fanehoana firaisankina teo amin’ireo samy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovana-gazety, nanokana fotoana nialana voly tetsy Alasora ireo mpanao gazety malagasy, afakomaly. Maro ny mpanao gazety no tonga tany an-toerana ary niala kely tamin’ny adidy aman-andraikitra sahaniny andavanandro. Tsy nijanona tamin’ny fialana voly ihany, teo koa ny fifankahafatarana teo amin’ireo mpanao gazety zokiny sy ireo vao misandratra.  Fotoana indrindra nanehoan’ny mpanao gazety fa iray ihany izy ireo ary ary miombom-po tanteraka hampandroso ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Betsaka ireo namaly ny antso…

Efa nisy hatrany ny fihaonana sy fiarahana teo amin’ny samy mpanao gazety hatramin’izay. Nampiavaka ny tamin’ny sabotsy teo kosa ny hamaroan’ireo mpanao gazety namaly ny antso. Marihina fa fiarahana “isan’ny nahavoriana mpanao gazety betsaka indrindra teto Madagasikara, iny afakomaly iny”, araka ny nambaran’ireo efa ela nihetezana teo amin’ity asa ity. Tetsy ankilany, maro tamin’ireo tonga tao Alasora koa no avy any amin’ny Faritra izay nanambara fa afa-po  tanteraka tamin’ny fiarahana teo amin’ny samy mpanao gazety. Notsindrian’izy ireo fa ny fiarahana sy ny firaisankina hatrany no hahafahana mampandroso io sehatr’asa io. Ankoatra izay, tamin’io fotoana io koa, voaresaka ny mahakasika  ny tokony hametrahana  ny rafitra takian’ny lalàna vaovao mifehy ny serasera izay lany sy efa manan-kery eto amintsika, amin’izao fotoana.

Tsiferana (Mpianatra asa)

Fermer