SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FILANKEVITRY NY GOVERNEMANTA : Hirosoana ny fanenjehana ireo mpivarotra « masques chirurgicaux » an-dalambe

Tato anatin’ny herinandro maromaro izay dia tsikaritra ho betsaka ireo olona mivarotra ireny karazana arotava fampiasa eny anivon’ny Hopitaly na toeram-pitsaboana ireny, antsoina amin’ny fiteny mahazatra hoe « masques chirurgicaux » na ihany koa « Masques FFP2-FFP3 ». Tsy olana akory ny fanaovana azy ireny ivelan’ny toeram-pitsaboana, saingy misy fepetra kosa anefa ny fampiasana azy satria tsy mitovy amin’ny arotava vita amin’ny lamba. Na izany aza anefa, tokony ho eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody na « pharmacie » ihany no afaka mivarotra azy ireny, na ihany koa any amin’ny toerana efa nahazo alalana manokana ny amin’izany satria misy fenitra ara-pahasalamana takiana amin’izy ireny. Tato ho ato anefa dia betsaka ireo hita mivarotra azy ireny eny an-dalambe. Saika ahitana izany avokoa ny toerana rehetra eto andrenivohitra, indrindra any amin’ireo misy fitohanan’ny fiara, ka hanararaotan’ireo mpivarotra hivarotana. Ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Governemanta ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka mahakasika ny fepetra fanenjehana ireo mpivarotra “masques chirurgicaux” andalambe ireo.

Fahadiovana?

Tsara marihina fa efa betsaka ny adihevitra nandeha mahakasika ireny karazana arotava amidy eny amin’ny sisiny ireny. Na ny antoky ny fahadiovan’ilay arotava aza mantsy efa tsy azo antoka tanteraka intsony, noho ny fivezivezen’ilay mpivarotra be loatra amin’ny toerana maro. Etsy ankilany, mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny mpamongady sy ny mpamokatra azy ireny, hahazoan’ireo mpivarotra ny entana. Ny tsy azo lavina koa anefa, dia maro ireo resy lahatra amin’ny fanjifana azy ireny, noho ny fiheverana fa mora vidy kokoa ny eny amin’ny sisiny  raha mitaha amin’ny any amin’ny farmasia, ka antony maharoboka amin’ny fividianana. Ny andro rahateo koa mafana, hany ka tsy maha vantana ny maro intsony ny manao ireo arotava lamba satria manepotra, araka ny fanadihadiana. Andrasana, araka izany ny tohin’ny fampiharana ny fanapahan-kevitra.

Fermer