SamihafaSongadim-baovaoSosialy

« MASQUES CHIRURGICAUX » : Misy manangona ireo efa niasa… ary miverina mivarotra izany indray

Nanamafy izay efa tapaky ny Filankevitry ny Governemanta ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa voarara manomboka izao ny famarotana ireny karazana arotava ireny eny andalambe, na eny amin’ny toerana tsy nahazoana alalana manokana mahakasika izany. Nambaran’ny Minisitra fa ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina no antony hanaovana ny arotava. Mety vao maika aza anefa hanaparitaka ny valanaretina indray raha ny zava-misy ankehitriny no asian-teny, hoy ny Minisitra, satria misy manangona ireo “masques chirurgicaux” efa avy nampiasaina, ary miverina mivarotra izany indray, rehefa avy nodiodiovina sy namboamboarina hitovy amin’ny arotava vaovao. Loza mitatao ho an’ny fahasalaman’ny rehetra anefa izany ka ilàna fandraisana fepetra.

Tsy voarara ny arotava lamba…

Nohamafisin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa arotava fampiasa any amin’ny toeram-pandidiana ny “Masques chirurgicaux”. Nekena anefa ny fampiasana azy ho fiarovan-tena tamin’ny Covid-19, ary saika naneran-tany dia nampiasa izany ivelan’ny toeram-pitsaboana avokoa. “Dispositif médicaux” na fitaovana fitsaboana anefa izy ireny. Noho izany, misy toerana manokana natao hanjifana azy ireny. Ny minisitera ihany koa no afaka manome fahazoan-dalàna manokana amin’ny fivarotana azy, hoy ny Minisitra. “Tena tsy azo atao ny mivarotra azy ireny eny an-dalambe”, hoy izy. Tsara ny manamarika fa tsy misy hifandraisany amin’ny arotava lamba io fepetra noraisin’ny Minisitera io, fa mahakasika ireo “masques chirurgicaux” fotsiny ihany. Any amin’ny Farmasia ihany hatreto no tena azo antoka amin’ny toerana tokony hanjifana ireny karazana arotava ireny. Misy koa mpamongady efa nahazo alalana manokana amin’ny famarotana.

Fermer