SamihafaSongadim-baovaoSosialy
AKAMASOA : Tanora 174 nahazo fiofanana arak’asa
Antoka iray lehibe hahafahana mamaha ny olan'ny tsy fananana asa eto amintsika ny fampitomboana ireo karazana fampiofanana arak'asa ho an'ny tanora. Anisany nahazo ny anjarany tamin'izany ireo tanora 174 beazina etsy amin'ny ivon-toerana Akamasoa. Izy ireo izay notoloran'ny minisitera tomponandraikitra mari-pahaizana na "attestation", omaly.
Tanora iray tapitrisa no kendren’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa, homena fampiofanana ato anatin’ny telo taona. Efa mizotra mankany amin’ny fahatrarana io tanjona io ny minisitera ankehitriny satria efa maherin’ny iray hetsy sahady izao ireo tanora nahazo fiofanana tao anatin’ny volana vitsy monja. Tafiditra ao anatin’ireo vao nahazo fiofanana ny tanora eo anivon’ny Akamasoa, beazin’ny Mopera Pedro. Niisa 174 izy ireo no nandray anjara tamin’izany, ka niofana ho vehivavy hiasa an-trano ny 127 tamin’ireo. Ny ambiny kosa, izany hoe lehilahy 46 niampy vehivavy 1, dia niofana momba ny fikirakirana herinaratra na « installation électrique bâtiment » ary « installation solaire photovoltaïque ». Naharitra telo andro ny Fampiofanana natao, hoy ny fanazavan’i Augustin Laihova, « Directeur de l’apprentissage des métiers de base » eo anivon’ny Minisitera, saingy tsy maintsy natao isaky ny andiany ny fampiofanana ka antony nahatonga ny fanomezana ny mari-pahaizana ho omaly vao natao. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa tsy misy fanavahana na sivana mihitsy ataon’ny Minisitera tamin’ny fanomezana fampiofanana tanora. Ho an’ny Akamasoa manokana, ny Mopera Pedro no fantatra fa nanao fangatahana teny amin’ny Minisitera ny amin’ny tokony hampiofanana ireo tanora beazina eo anivon’ny Ivon-toerana. Tanjona amin’izany ny mba hahafahan’izy ireo mahita asa fa tsy hipetrapetraka fotsiny, hoy ny Mopera Pedro.
Efa misy lalan’asa…
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia efa nisokatra ho an’ireo tanora vehivavy nahazo fampiofanana mahakasika ny asa an-trano ny tolotrasa. Araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely, Radafy Thierry, efa misy mpiara-miombona antoka amin’ny Kaominina any an-toerana amin’izao fotoana izao, izay manao fampidirana mpiasa faobe. Isan’izany ny vehivavy hiasa an-trano. Nilaza, araka izany, ity tomponandraikitra ity fa tokony hanomana avy hatrany ny antontan-taratasiny avy ireo tanora vehivavy ireo satria efa misokatra izany ny sehatry ny asa. Ankoatra izay, nanamafy koa ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely, fa efa betsaka izao ireo trano fandraisam-bahiny sy hotely miorina eny amin’ny manodidina iny Kaominina iny. Tsy maintsy mila olona sy ankizy hiasa ireny, hoy ny Ben’ny tanàna. Midika izany fa efa feno ny herijika ho an’ireo tanora vao nahazo fiofanana ireo hidirana amin’ny tontolon’ny asa.
Nanome toky ny teo anivon’ny Minisitera fa hitohy hatrany fampiofanana tanora. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany izany fa hitohy hanerana ny Nosy. Tsy hijanona fotsiny amin’ny fanofanana anefa izany fa hisy ihany koa tan-tsoroka sy torolalana ary fanampiana atao ho an’ny tanora, mba hanamora ny fahitan’izy ireo asa avy hatrany.



