SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FIFORONANA ANDRO RATSY: Tombanana hahakasika ny Faritra Sava sy Analanjirofo aorian’ny fetin’ny Noely

Vaovao nitana ny sain’ny maro nanomboka omaly tontolon’ny andro ny fisiana andro ratsy mandindona an’i Madagasikara, araka ny tatitra nataon’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Mitohy tsy tapaka, noho izany, ny fanomezam-baovao mahakasika azy io ka araka ny filazana manokana nivoaka omaly tamin’ny  06ora hariva, tsy mbola nivoatra firy ilay andro ratsy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana tao anatin’ny 24 ora. Malefaka hatrany ny heriny satria eo anelanelan’ny 35 sy 46km/ora ny rivotra entiny. Ary koa, any amin’ny manodidina ny 1515km Avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny tamin’ny 04 ora tolakandro omaly.

Tombanana hikisaka miakandrefana hatrany ity andro ratsy miforona ity amin’ny ankapobeny ka hanatona miandalana an’i Madagasikara. “Hivoatra hatrany izy ary hitombo hery miandalana ato anatin’ny dimy andro ho avy ; tombanana hahakasika ny faritra Sava sy Analanjirofo aorian’ny fetin’ny Noely”, hoy ny fanazavan’ny Météo. Na izany aza anefa, nilaza ny teo anivon’ny Météo fa mbola sarotsarotra ny hanome vinavina raikitra mahakasika ny fivoaran’ity andro ratsy ity. Teo anatrehan’izany, efa nanentana sahady ny mponina amin’ny Faritra anefa ny Météo mba hanaraka ny vaovao ofisialy mikasika ny toetry ny andro manomboka izao satria mety hitondra fikorontanana izy ity amin’ny fiafaran’ny herinandro. Isan’izany ny Faritra Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana.

Fermer