PolitikaSongadim-baovao
MADAGASIKARA SY CHINE : Hanatsara ny fifandraisana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ny Ambasadaoro vaovaon’i Sina miasa sy monina eto amintsika, Sem Guo Xiaomei. Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Chine efa nisy an-taonany maro, teo amin’ny lafiny fahasalamana. Nivoitra avokoa, araka izany, ireo asa rehetra efa vita teto amintsika, vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny firenena sinoa. Efa natsidika sahady ihany koa ireo tetikasa rehetra hiarana-hiasa amin’ny ho avy. Ary samy nilaza ny roa tonta tonta fa hanatsara ny fifandraisana eo amin’ny lafiny fahasalamana eo amin’i Madagasikara sy Chine. Ho an’ny masoivoho vaovaon’i Chine miasa sy monina eto amintsika, isany vina napetrany ny hanampy isa ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana efa misy eto amintsika. Eo koa ny fanatsarana ireo efa mijoro. Ankoatra izay, misy ihany koa ny faniriana hizara traikefa amin’ireo mpitsabo malagasy, amin’ny alalan’ireo mpitsabo avy any Chine. Noresahana ihany koa ny mahakasika ny fitsaboana ny reny sy ny zaza. Nanamafy ny minisitra fa anisany nanana fifandraisana betsaka i Madagasikara sy Chine nandritra ireny ady natao tamin’ny valanaretina Covid-19 ireny.




