SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAHASALAMAM-BAHOAKA : Nankatoavina ny drafitrasa ho fampivoarana ny sehatry ny Fahasalamana
Drafitrasa maty paika hahafahana manarina ny tontolon’ny Fahasalamana eto amintsika no voarakitra ao anatin’ny Boky navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, tetsy Andrainarivo. Zava-dehibe izany hirosoana bebe kokoa amin’ny fitsaboana manakaiky vahoaka, sy fitsaboana tsara kalitao.
« Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra”, io no Velirano fahadimy nataon’ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoaka. Lalana iray manan-danja amin’ny fahatrarana io fanamby io, ny fananana drafitrasa maty paika, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fahasalamana eto amintsika. Araka izany, rehefa novolavolaina nanomboka ny volana Jolay 2019 sy nandalo fakan-kevitra teny anivon’ireo Tomponandraikitra isa-tsokajiny eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (Foibe sy isam-paritra) sy ireo mpiara-miombona antoka dia nankatoavina omaly ny Boky mirakitra ireo Drafitrasa entina hampivoarana ny sehatry ny Fahasalamana ho an’ny dimy taona manaraka, izay fantatra amin’ny anarana « PDSS 2020-2024 ».
Ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana, « Vahoaka malagasy salama« , « fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka« , ireo no anisany fanamby. Teo anatrehan’izany, tsy mitsaha-mikaro-bahaolana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanatsaràna ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka, na amin’ny tolotra fiarovana io na amin’ny tolotra fitsaboana, hatramin’ny fandraisana an-tanana ny vonjy taitra. Eo ihany koa anefa, etsy ankilany, ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana, amin’ny fandraisana mpiasan’ny fahasalamana vaovao, ny fanamafisana ny fahalalàna sy ny traikefan’ireo izay efa am-perin’asa, ny fananganana fotodrafitrasa sy fampitaovana azy ireny, ary ny fanatsaràna ny fiarahamiasa amin’ireo Mpiara-miombona antoka.
Hanatsara ny tontolon’ny Fahasalamana
Voarakitra ao anatin’io Boky io avokoa, araka izany, ireo andinindininy mikasika ireo sehatr’asa mifandraika amin’ny tontolon’ny Fahasalamana rehetra. Azo inoana tanteraka, noho izany, fa hitondra fanatsarana goavana ho an’ny Fahasalamam-bahoaka tokoa ny fampiharana ity drafitrasa vaovao ity. Marihana fa tonga nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny atrikasa fankatoavana, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka,Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis, notronon-dRamatoa Sekretera Jeneraly sy ireo Tale jeneraly ary ireo Tale eto amin’ny Ministera foibe. Tonga maro namaly ny antso ihany koa ireo Tale Mpitantana ny Hôpitaly sy ny solotenan’ireo Mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nanatrika izao atrikasa fankatoavana izao tamin’ny alalan’ny « Visioconférence » ihany koa ireo Tale-paritra ara-pahasalamana sy ireo Tomponandraikitry ny fahasalamana eny anivon’ny Distrika ary ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra.



