SamihafaSongadim-baovaoSosialy
CSB II ANDOHARANOFOTSY: Voahosotra ho « CSB sakaizan’ny WASH »
Omaly no andro nanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ny fanamarinana ho Sakaizan’ny WASH ny CSB II Andoharanofotsy. Maro ny dingana nolalovan’ity Toeram-pitsaboana fototra miankina amin’ny Fanjakana ity vao tody soa amin’izao dingana izao, araka ny fanazavana. Tsara ny mampahafantatra fa ny paikady “Toeram-pitsaboana fototra sakaizan’ny WASH “ dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny “fampielezana ny fanabeazana ara-pidiovana tanterahan’ny WASH” izay tarihan’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny Foibe-pitantanana misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nilaza ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa ny hetsika dia fanatanterahana hatrany ny velirano fahadimy napetraky ny Filoham-pirenena dia ny “Fahasalamana ho an’ny Daholobe”. Araka izany, tonga nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, notronin’ireo Manampahefana sy Olomboafidy ao amin’ny Kaomina Andoharanofotsy sy ny Distrikan’Atsimondrano, ary ny Governoran’Analamanga. Tsara tsindriana koa fa fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny « Water & Sanitation for the Urban Poor » no nahazoana nanatanteraka ny hetsika.



