Non classé
ANDRO RATSY: Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetrandro eto afovoan-tany hatramin’ny rahampitso
Mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny fisian’ilay fiforonana andro ratsy any amin’ny ranomasimbe indianina izay manohy ny diany miha manatona an’I Madagasikara. Omaly, namoaka ny fivoaran’ny dian’ity andro ratsy ity ny Météo, ary naneho ihany koa ny mety ho vinavinan’ny mety ho toetrandro hatramin’ny sabotsy izao. Fantatra nandritra izany fa andro maina sy orana tandrifin-drahona no mety hisy amin’ny Faritra maro hatramin’ny rahampitso, isan’izany ny eto afovoan-tany.
Araka ny filazana manokana momba ny rivodoza nivoaka omaly 23 Desambra 2020, tamin’ny 04ora tolakandro. Mikisaka miadana miakandrefana hatrany ilay “Depression Tropicale” ka mahafaka 08 Km/ora.Tamin’ny 03 Ora tolakandro omaly dia tany amin’ny 1128 Km Atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. 55 Km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 75 Km/ora. Raha ny vinavina dia ho lasa “Tempête Tropicale Moderée” izy rahampitso Alakamisy. Hikisaka hanatona ny morontsiraka Avaratra sy Afovoany Atsinanana izy ato anatin’ny efatra andro ho avy ary tombanana hipaka an-tanety amin’ny faran’ny herinandro izao. Noho izany dia mitoetra ny filazana miloko maintso (Fanairana) ho an’ireo Faritra sy Distrika manaraka ireto: Sava, Analanjirofo, Toamasina I-II. Ny teo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro (Météo) izay manentana ny tsirairay mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.
Vinan’ny toetry ny andro
Raha ny fanambaran’ny Météo, ho an’ny alakamisy 24 Desambra, ny maraina dia hanorana any Antalaha sy Sambava ary ny morontsiraky Analanjirofo. Handrahona mety hisy tandrifindrahona kosa ny any Menabe, Atsimo Andrefana, Melaky. Handrahona mitsotokokoto ny any Diana, Sofia, Atsinanana, ary ho maina avokoa ny andro any ireo faritra sisa. Ho an’ny tolakandro, hanorana tandrifindrahona ny any Diana, Sava, Sofia ary Anosy. Hanorana tandrifindrahona arahin-kotroka indraindray kosa ny any Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana. Ary andro maina amin’ny ankapobeany ny Faritra sisa. Ho an’ny rahampitso zoma 25 Desambra, hitoetra ny orana amin’ny ilany avaratra Atsinanan’ny Nosy sy Atsinanana . Hisitraka orana tandrifindrahona mety arahinkotroka ny any Atsimo Andrefana, Ihorombe, ilany avaratry Anosy, atitanin’Androy. Hisy Orambaratra ny atitany Menabe, Atitany Melaky, ilany andrefana Bongolava. Andro maina no hibahan-toerana amin’ny faritra sisa. Ho an’ny sabotsy, izay vinavinaina hidiran’ny rivodoza an-tanety, araka ny tatitry ny Météo. Hiseho ny orana ary mety hatevina any Sava, Analanjirofo, Atsinanana, Sofia, Diana, Hisitraka orana tandrifindrahona mety arahinkotroka ny ilany andrefan’ny Nosy. Hanorana tandrifindrahona ny afovoantany (Betsiboka, Analamanga, Vakinakaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony. Andro maina ny any atsimo.
Antananarivo 16 / 30 ; Antsirabe 16 / 26 ; Fianarantsoa 18 / 30 ; Morondava 24 / 33 ; Mananjary 23 / 30 ; Farafangana 23 / 30 ; Nosy-Be 24 / 31 ; Toamasina 23 / 32 ; Mahajanga 24 / 33 ; Taolagnaro 24 / 31 ; Sainte-Marie 24 / 32 ; Toliara 25 / 32 ; Antsiranana 24 / 32 ; Antalaha 23 / 32 ; Maintirano 24 / 32 ; Maevatanana 24 / 33

