SamihafaSongadim-baovaoSosialy

HAINO AMAN-JERY: Tsy azo amidy sy afindra ny fahazoan-dalana hitrandraka

Araka ny andininy faha-131 amin’ny lalàna laharana faha 2020-006 tamin’ny 01 Septembre 2020 momba ny serasera amin’ny Haino aman-jery, manitsy ny lalàna laharana faha 2016-029 tamin’ny 24 Aogositra 2016, “ny fahazoan-dalana hitrandraka dia tsy azo amidy no tsy azo afindra”. Nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika io andininy io ny Minisitera ny fiandohan’ny herinandro teo, noho ny fahitana fivarotana “Licence” tamin’ny gazety mpiseho isan’andro iray, sy tamin’ny tambazotra sosialy. Niantefa tamin’ireo rehetra manana fahazoan-dalana hanokatra na fahazoan-dalana hanitatra onjampeo na fahitalavitra ny fanambarana. Nampahafantarin’ny Minisitera ihany koa io andinin-dalàna io tamin’ireo izay rehetra mikasa hividy fahazoan-dalana hanokatra na fahazoan-dalana hanitatra onjampeo na fahitalavitra. “Ny Minisitera dia mampahatsiahy fa io andinin-dalàna io dia nanan-kery tamin’ny taona 2016, nesorina tao anatin’ny tolo-dalàna naroson’ny filan-kevitry ny minisitra teny anivon’ny parlemanta izy io tamin’ny 2019, araky ny fangatahan’ny mpanao gazety, saingy notazomin’ny fahefana mpanao lalàna (Solombavambahoaka sy Loholona), nankatoavin’ny Fitsarana ho mifanaraka amin’ny Lalàmpanorena, ka noho izany dia manan-kery tanteraka”, hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny Minisitera. Teo anatrehan’ireo, nanamafy ny Minisitera fa ny fifampivarotana na famindrana “Licence” na “Autorisation d’agrement” na “autorisation d’exploitation » na « autorisation d’extension » rehetra nanomboka ny taona 2016, ho fampiharana ny lalàna manankery dia tsy azo raisina avokoa  ary heverina ho toy ny tsy misy.

Fermer