Songadim-baovao

DISTRIKAN’I BEALANANA : Nisitraka tohodrano manondraka tanimbary mirefy 1172 ha

Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Tetikasa PADAP dia nisitraka tohodrano lehibe afaka manondraka tanimbary mirefy 1172 ha ny Kaominina Ambanivohitry Mangindrano, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nambaran’ny Governora Lylyson fa « ho fanatanterahana ny Velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, sy hamaha ny olan’ny Tantsaha nijaly nandritra ny taona maro, izao fahavitan’ny tohodrano izao…

Tena ilain’ny tantsaha ny fahavitan’ny tohodrano toa izao.

Manana velaran-tany mirefy eo amin’ny 60 000 ha ny lemaky Mangindrano ao amin’ny distrikan’i Bealanana.  Ny fambolem-bary no fototry ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Tetikasa PADAP dia nisitraka tohodrano lehibe afaka manondraka tanimbary mirefy 1172 ha ny Kaominina Ambanivohitry Mangindrano, ny fiandohan’ny herinandro teo. Lavitra sady saro-dalana ny Kaominina ambanivohitra Mangindrano, kanefa noho ny fitsinjovana sy ny fitiavana ny vahoaka, tonga tao an-toerana ny delegasiona notarihin’ny Governora Lylyson sy ny lehiben’ny Distrikan’i Bealanana ary ny Lehiben’ny tetikasa PADAP nanatanteraka ny fandraisana vonjimaika ny fanamboarana ny tohodrano. Faly sy ravo ny Tantsaha ary manantena fa ho taona zina ny taom-pambolena hoavy io. Nambaran’ny Governora Lylyson fa   « ho fanatanterahana ny Velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo,  indrindra ahafaha-mamaha ny olan’ny Tantsaha nijaly nandritra ny taona maro. Nisy ny asa fanamboarana io tohodrano io tamin’ny Repoblika voalohany, saingy tsy vita ny asa noho ny fialan’ny Filoha Philbert Tsiranana. Ankehitriny, vita ny tohodrano ary voavaha ny olan’ny Tantsaha, izay hampitombo ny voka-bary hiakatra.

Anarivony hekitara ny tanimbary tondrahan’ity tohodrano ity.

Amin’izao fotoana,  efa mahavita tena ara-tsakafo, indrindra fa ny voka-bary,  ny Faritra Sofia. Ny vary vokatra avy any an-toerana, dia isan’ireo mandeha aty Antananarivo  sy Ambositra, Ambanja, Maevatanàna, Mahajanga. Mbola  manana ambim-bava aza ny Faritra. Araka ny politikan’ny  Governoran’ny Faritra Sofia,  dia mametraka barazy, lehibe sady mahomby. Any amin’ny distrikan’i Mampikony, ny lemak’i Bekapila, Mahadrodroka ao Boriziny, dia mbola misy 60.000 ha, izay mbola visavisaina hanaovana fambolem-bary sy fambolena zavatra hafa.

Fermer