SamihafaSongadim-baovaoSosialy
RIVODOZA CHALANE: Tombanana hiditra an-tanety rahampitso
Na dia ankatoky ny fetin’ny Noely aza isika, mbola vaovao mitana ny sain’ny maro ny mahakasika ilay rivodoza Chalane izay mandindona an’I Madagasikara efa nanomboka andro vitsivitsy izay. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Sampana mpamantatra ny toetrandro, hiditra an-tanety rahampitso, any amin’iny morontsiraka atsinanan’ny Nosy iny ity rivodoza ity. Mitoetra avokoa, araka izany, ireo filazana rehetra mifandraika amin’izany, manerana ireo faritra rehetra eto Madagasikara.
Araka ny filazana manokana momba ny rivodoza nivoaka omaly 25 Desambra 2020, tamin’ny 04ora tolakandro, manohy ny diany miakandrefana i Chalane ka mahafaka 17 Km/ora. Tamin’ny 03Ora tolakandro omaly, tany amin’ny 560 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’Ambodiatafana/StMarie no nisy ny foibeny. Nihena ho 65 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra mahatratra 90 Km/ora. Araka ny fanazavan’ny Météo, tsy dia misy fiovana firy aloha ny vinavina. Hikisaka hanatona ny morontsiraka Afovoany Atsinanana izy ka tombanana hipaka an-tanety ny marainan’ny Alahady 27 Desambra 2020, hoy ny Météo.
Eo anatrehan’izany, manakery hatrany ireo filazana mikasika ny rivodoza. Mipetraka, araka izany, ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’i Faritra Analanjirofo, ny distrikan’ny Sambava, Andapa, Antalaha, Toamasina I-II, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Filazana fanairana miloko maintso kosa ho an’ny Distrikan’ny Vohemar, Bealalana, Antsohihy, Mampikony, Boriziny, Tsaratanana, Brickaville, Moramanga, Antanambao Manampotsy ary Anosibe an’Ala. Nilaza ny teo anivon’ny Météo fa hanomboka hahakasika ny morontsiraka ny Orana miaraka aminy anio Sabotsy. Ho betsaka io rotsakorana io ny Alahady ka ahiana ny fiakaran’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka. “Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Antsiranana sy Mahanoro dia iangaviana mba tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso Sabotsy”, araka ny fampitam-baovao.
Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny rotsakorana
Hahazo rotsakorana ny faritra maro eto Madagasikara ny alahady, ankoatran’ny any amin’ny tendrony atsimo atsinanan’ny Nosy, arahin-kotroka izany ho an’ny any Menabe sy Atsimo Andrefana. Ho betsaka koa io rotsakorana io any amin’ny Faritra Sava sy Analanjirofo ary ny Faritra Atsinanana. Hidina ny maripana ambony indrindra ho an’ny rahampitso alahady. Ho an’ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy, sy ny eto afovoan-tany dia ho 24°c ny maripana ambony indrindra. Any amin’ny ilany andrefana kosa no hisy ny mafana indrindra satria dia hisy hatrany amin’ny 32°c ny maripana. Mbola hitohy hatramin’ny alatsinainy ny rotsakorana, indrindra ho an’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy. Hanorana tandrifin-drahona arahin-kotroka noho izany ny toetrandro any amin’iny tapany andrefan’ny Nosy iny, ny andron’ny alatsinainy izao. Ho an’ny eto afovoan-tany, ho maloka ny andro, ary mety arahin’ny orana malefaka indraindray.




