SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VELIRANO FAHEFATRA : Tanora miisa 192 000 nahazo fiofanana arak’asa tao anatin’ny efa-bolana
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fahatrarana ireo velirano rehetra nataon’ny Filohan’ny Repoblika ny fananana tanora voaofana arak’asa, afaka mifandrimbona amin’ireo asa fampandrosoana rehetra tiana hapetraka manerana ny Nosy. Ho an’ity taona ity manokana, nahatratra 192 000 ireo tanora nahazo fiofanana arak’asa avy tamin’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa.

Isany fanamby na « Contrat programme » nifaneken’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, Tsikel’Iankina Ernest, fony ity farany vao notendrena teo amin’ny toerany, ny fanomezana fanofana tanora iray tapitrisa hatramin’ny 2023. Hatreto, mizotra amin’ny antsakany sy andavany ny fahatrarana ity vina ity satria ho an’ity taona ity manokana dia efa nahatratra 107 500 ireo vita fiofanana tanteraka amin’izao fotoana, ary efa navoaka soa aman-tsara. Ho tafiakatra hatrany 192 000 io antontanisa io hatramin’ny faran’ny taona satria mbola mandeha ny fampiofanana any amin’ny Faritra maro ankehitriny.
Nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa nohatsaraina ny fomba fiasa tamin’ny fanofanana ireo tanora ireo. Isan’izany ny fanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’asa misy. Izany hoe, miankina amin’ny filàna arak’olona any amin’ireo tetikasa mandeha isam-paritra ny fanomezana fiofanana ireo tanora. Isany tetikasa iraisan’ny faritra maro eto amintsika izao ny fanaovana lalana rarivato. Betsaka, noho izany, ny mpiasa ilaina amin’izy ireny ka ilàna fanofanana manokana. Nohamafisin’ny Minisitra Tsikel’Iankina Ernest fa ny tomponandraikitra sy ny mpitondra eny ifotony no maka iree tanora vonona handray ny fiofanana, ary manao ny fangatahana mifandraika amin’izany aty amin’ny minisitera foibe. Izany hoe, tsy ny Minisitera velively no manao sivana amin’izay tanora hisitraka fampiofanana. Tsara marihana fa karazana asa miisa 83 no efa ao anaty fandaharanasan’ny Minisitera hampiofanina ireo tanora.
Ivon-toeram-piofanana manarapenitra enina
Mifanindra an-dalana amin’ireo fanofanana efa nandeha ireo ny fananganana ivon-toeram-panofanana manarapenitra na “Centre de formation professionnelle de Référence (CFPR)» miisa enina. Any amin’ireo faritra hametrahana ny tetikasa goavana ho fampivoarana an’i Madagasikara na antsoina koa hoe « Zone d’emergence » no nananganana ireo ivon-toerana ireo. Ahitana izany ny ao amin’ny Distrikan’i Betafo, Bealanana, Tsihombe, Vatomandry, Ihosy, ary Brickaville. Ny any amin’ity farany izay efa tafatsangana hatrany amin’ny 60%, raha toa kosa ka efa vita tanteraka ireo dimy ambiny.
Araka izany, paikady manokana ny nametrahana ireo ivon-toerana ireo any amin’ny toerana hanaovana tetikasa goavana mba hanofanana ireo tanora any an-toerana ny asa mifandraika amin’ny tetikasa atao. Izany hoe, efa atao mifanaraka amin’ny filàna arak’olona any amin’ireo tetikasa ireo ny fanofanana atao ho an’ireo tanora. Tsara ho fantatra fa CFPR miisa 37 no hatsangana manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2023, raha toa ka hiisa 11 ireo hatsangana ho an’ny taona 2021 manokana. Manampy ireo koa, misy ny ivon-toeram-piofanana manokana eny ifotony na “Centre de formation professionnelle communautaire” izay hanofana ireo tanora eny ifotony amin’ny ireo karazana tetikasa ataon’ny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana. Amin’ny ankapobeny, tsy mihoatra ny roa herinandro ny fiofanana atao. Ary ankoatra ireo hofanina hiasa anaty orinasa sy tetikasa, dia misy koa ireo homena fampiofanana hanao asa tena, toy ny zaitra, ny taotrano, ny hainahandro, sy ny sisa. Noho izany, mahazo fampitaovana avy hatrany avy amin’ireo mpiara-miombona antoka ireo tanora vao vita fiofanana, mba hahafahana miatrika avy hatrany ny sehatry ny asa. Araka ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra, 37%-n’ireo tanora nandray fiofanana amin’izao fotoana no efa tena anatin’ny sehatry ny asa tanteraka. Somary ambany io salanisa io, hoy izy, noho ny mbola fisian’ny valanaretina Covid-19 teo ka nampikatona ireo orinasa maro teto amintsika. Antenaina kosa anefa ny hiakaran’izany amin’ny taona ho avy noho ny efa fisokafan’ny sehatra rehetra.




