PolitikaSongadim-baovao

FANAJANA ZON’OLOMBELONA : Vaindohan-draharahan’ny Fanjakana ny fananganana fonja vaovao

Sehatra anisany ahitana fitarainana betsaka amin’ny resaka fanitsakitsahana zon’olombelona ny tontolon’ny Fonja eto amintsika. Efa mandray fepetra amin’izany anefa ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny fananganana ireo fonja vaovao maro manerana ny Nosy. Nitondra fanazavana betsaka mahakasika izany ny Minisitry ny Fitsarana, ny Alakamisy teo.

28 000 eo no isan’ireo voafonja tazonina manerana ny Fonja rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Fonja izay efa saika tsy misy manaraka ny fenitra intsony satria  efa tany amin’ny taona 1960 tany no nananganana azy ireo. Tsy maharaka intsony koa ny isan’ireo olona mandika lalàna amin’izao fotoana ka mahatonga ny fahafenoina diso tafahoatra eny amin’ny toeram-pamonjana. Tsy nikely soroka tamin’izany anefa ny Filoham-ppirenena Andry Rajoelina. Antony nidinany tao amin’ny Fonjan’Antanimora tamin’ny taon-dasa, ary nanomboka tamin’izany no namoahany didim-panjakana maro amin’ny resaka famotsoran-keloka, tafiditra ao anatin’izany ny “liberation conditionelle”, na “Grâce présidentielle”. Mifanindra an-dalana amin’izany koa anefa ny fanamboarana fonja vaovao sy fanatsarana ireo efa mijoro mba ho fanajana ny zon’olombelona any amin’ny toerana maro eto Madagasikara. Efa tamin’ny taon-dasa izany no nanomboka, izay efa andalam-pahavitany ny sasany, toy ny etsy Imeritsiatosika, ny any Fianarantsoa, ny any Sambava. Eo koa ireo asa efa mandeha ny any amin’ny toeran-kafa toy ny any Sainte Marie. Tsy nijanona hatreo anefa fa nitohy tany amin’ny toeran-kafa ny fananganana fonja, toy ny any Belo sur Tsiribihina, Ambilobe, Amboasary, Toamasina. Ny any amin’ny Distrikan’I Manja, Bealanana ary Besalampy kosa no efa vinavina hametrahana fotodrafitrasa vaovao indray, raha toa ka fanavaozana no natao tany Fandriana, Fenoarivo Atsinanana. “Tsy natory ny Fitondram-panjakana…manaja zon’olombelona ny Fanjakana”, hoy ny Minisitra Andriamahefarivo Johnny Richard. Notsiahiviny tamin’izany ireo ezaka rehetra nataon’ny Fanjakana ho fiarovana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 tany anivon’ny Fonja.

Fetin’ny Noely, nahazo fanomezana ireo voafonja

Afaka manamarika ny fetin’ny Krismasy ireo voafonja vehivavy sy zaza tsy ampy taona, ireo voafonja iharan’ny kere any Atsimo ary ny ao Tsiafahy. Taratasim-bola mitentina 50.000 $ (manodidina ny 194.000.000 Ar) avy amin’ny Papa Ray Masina François tokoa mantsy no natolotra ireo voafonja ireo. Nisy koa omby iray avy amin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina sy ny Ministeran’ny Fitsarana, ary gonim-bary avy amin’ny Orinasa Huawei sy vary amin’ny gony sy savony avy amin’ny Fondation Rajabaly. Nanatitra ireo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana (GSMJ) Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, sy « Son Éminence Monseigneur Nonce Apostolique  » eto Madagasikara izay misolo tena ny Papa Ray Masina, ny alakamisy 24 Desambra lasa teo. Niaraka tamin’izy ireo ny Arisevekan’Antananarivo Mgr Odon Razanakolona, ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky, ny Tale Jeneralin’ny Huawei ary ny solotenan’ny « Fondation Rajabaly » miaraka amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Vono olona tao Faratsiho: Efa nandray fepetra ny Minisitera

Mahakasika ny raharaha famonoana sy fandoroana olona tao Faratsiho, nilaza ny Minisitry ny Fitsarana fa efa nandray fepetra ny Minisitera misy azy. Efa nalefa, hoy izy, ny fangatahana fanadihadiana mahakasika izany. Efa nesorina koa, hoy izy, ilay lehiben’ny Fonja tao Antsirabe, miaraka amin’ny tomponandraikitra niaraniasa taminy rehetra. Hisy famotorana fototra eo amin’ny lafiny ady heloka natao mahakasika azy io. Raha voamarina fa niray petsapetsa tamin’ilay voafonja tafavoaka ny lehiben’ny fonja, dia tsy maintsy hampiharina aminy koa ny lalàna, hoy hatrany fanazavana.

Fermer