Songadim-baovao
FOIBE FITSARANA FIARAKODIA : Anaovana fitsirihana ara-teknika ireo taksiborosy
Manatanteraka fitsirihana ara-teknika ireo taksiborosy amin’ireo toeram-piantsonana sy eny an-dalambe, ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, nanomboka ny 23 ka hatramin’ny 31 desambra 2020. Tanjona ny hisorohana ny loza vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika…

Manoloana ny fitombon’ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra olona, indrindra ireo mitrandraka ny zotra nasionaly sy rezionaly, amin’izao fankalazana ny fetin’ny Noely 2020 sy ny faran’ny taona. Ho fisorohana na ho fampihenana ny trangana lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika, ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy) dia manao hetsika fitsirihana ara-teknika eo am-piaingan’ireo taksiborosy eo amin’ny toeram-piantsonana Maki Andohatapenaka sy Fasan-karana ary eny an-dalambe, nanomboka ny alarobia 23 hatramin’ny 31 desambra 2020. Jerena sy tilina manokana amin’izany ny resaka tsindry hisatra, ny toetry ny kodiarana, ny lafiny jiro ary ny familiana, ny setroka tafahoatra avoakan’ny maotera sy ny sisa.
Raha misy tsy fahatomombanana tsikaritra sy hita maso, tsy afaka mandeha ilay fiara taksiborosy fa manamboatra, raha toa ka azo amboarina sy soloina ary vita eo an-toerana izany. Aorian’ny fanamboarana sy fanoloana izay tsy mety vao afaka mandeha manohy ny lalany. Raha toa kosa indray, betsaka ny tsy fahatomombanana hita ka ahina hitera-doza any an-dalana dia sintomina mihitsy ny taratasin’ny fiara dia atao “Inapte” ka asaina manamboatra ary tsy mahazo miasa raha tsy mahavita “contre-visite”. Tsy vao izao no nanaovana izao hetsika izao fa efa fanao isaky ny misy sy mihabetsaka ny fivezivezen’ny olona. Koa entanina, araka izany, ireo manana fiara mpitatitra sy ny mpampiasa azy ireny, mba hikolokolo tsy tapaka ny fiarakodia hisorohana ny loza mety ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika tampoka satria lahy tokana ny aina.




