SamihafaSongadim-baovaoSosialy

AKON’NY RIVODOZA CHALANE: Niakatra ny rano tao Toamasina

Niaina tanteraka tao anatin’ny fandalovan’ny Rivodoza ny Faritra maro teto Madagasikara, omaly. Namela takaitra betsaka tao amin’ny Faritra Atsinanana kosa anefa ity andro ratsy ity, noho izy niditra avy ao amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy. Vokany, na dia tsy nandrava zavatra maro aza, dia hita tamin’ny toerana maro tao an-tampon-tanànan’I Toamasina kosa ny fiakaran’ny rano, izay niteraka fahasahiranana ho an’ny mponina.

Tsy dia natahorana sy nampanahy loatra ny rivotra nentin’ilay rivodoza Chalane tao Toamasina. Tetsy ankilany, fiakaran’ny rano no mitondra fahasahiranana ho an’ny mponina saika manerana ny fokontany maro any an-toerana. Tsikaritra ihany koa ny fiandronan’ny rano saika isaky ny elankelan-trano amin’ireo quartiers maro. Andranomadio, Tanambao II sy V, Gare routière sy ny manodidina, Morarano, Ambolomadinika, Ambalamanasy, Salazamay, ampahany amin’ireo toerana ahitana fiakaran’ny rano ao Toamasina ireo. Araka ny fanazavana, nanomboka tamin’ny sabotsy teo tamin’ny 8ora alina no nihamafy ny rivotra sy ny rotsakorana tany an-toerana, ary nitohy mandrapaharainan’ny andro izany. Tapaka ny jiro sy rano ny tapany maraina tontolon’ny omaly. Araka ny fampitam-baovao dia tsy nisy zavatra simba, sy ny olona naratra, saingy ny fiakaran’ny rano kosa no namely mafy ny tanàna. Hatramin’ny omaly alina dia mbola tafiditra hatrany an-trano ny rano. Araka ny fanadihadiana anefa dia manodidina ny herinandro ny vao ritra ny rano any an-toerana rehefa misy fiakaran’ny rano tahaka izao. Mampanahy ny rehetra anefa ny mety hisian’ny valanaretina “Diarrhée” noho ireo rano maloto isan-karazany.

Hatramin’ny omaly dia mbola eo am-panangonana ny antontanisa ilaina ny rantsamangaikan’ny BNGRC any an-toerana. Izany hoe, mbola tsy nisy ny traboina sy ny tsy manan-kialofana hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Na izany aza, omaly vao maraina dia efa nidina nitety tanàna nijery ny zava-misy tao an-tanànan’ny Toamasina ireo tomponandraikitra ara-panjakana tarihin’i Governora sy ny préfet ary ny ben’ny tanàna.Tsikaritra ny fiakaran’ny rano @ ireo lalana ao andrenivohitra noho ny fahatsetsenan’ireo lakan-drano (canaux d’évacuations). Fantatra fa tsy hiandry ela ny fanadiovana ireo lakan-drano ireo.

Nivoaka ny ranomasina alina

Nivoaka androany vao maraina tany amin’ny morontsiraka andrefanan’ny Nosy ity rivodoza Chalane ity, araka ny tombana nataon’ny sampana mpamantatra toetrandro. Araka ny filazana momba ity rivodoza ity farany omaly tamin’ny 04 Ora tolak’andro, dia tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo be no nisy ny foibeny. Nihena ny rivotra miaraka aminy ka toerana vitsy sisa no mety mbola ho voakasiky ny tafiotra 40 hatramin’ny 50 Km/ora. Araka io filazana farany io dia nikisaka niakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka nahafaka 20 Km/ora. Na dia mbola mitoetra aza ny rotsak’orana betsaka amin’ny fandalovan’i Chalane avy any Atsinanana miankandrefana dia foana ny filazana fahamailoana ( Manga) ho an’ireo distrika rehatra naharay izany. Mbola entanina hatrany kosa ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana sy Andrefana mba tsy hiandriaka na hitandrina mafy satria mbola mikorontana ny toetry ny andro. Ary koa,  mbola entanina hatrany ny tsirairay mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.

Fermer