SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTONTANISA COVID-19: 81 ireo tranga vaovao voamarina
Mitohy hatrany ny fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus manerana izao tontolo izao. Ho antsika eto Madagasikara kosa, misy sokajin’olona tsy mampihatra intsony ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny Fitondram-panjakana, ka ahiana ho hampirongatra indray ny aretina. Araka ny antontanisa farany izao, tafiakatra 81 indray ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny Covid-19…
Araky ny vokam-pitiliana nataon’ny teo anivon’ny CCO Foibe eto Madagasikara, ny 19 hatramin’ny 25 desambra lasa teo, olona vaovao miisa 81 indray no voamarina fa tratry ny Covid-19 eto amintsika. Nahatratra 1 936 ny fitiliana tontosa teo anivon’ity Foibem-pibaikoana ity ka nahitana io tranga voamarina io. Olona vaovao miisa 59, voamarina ho mitondra ny tsimokaretina tao amin’ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Diana. Raha toa ka, marary vaovao niisa 16, hita tao amin’ny Faritra Vakinakaratra sy Matsiatra Ambony. Ho an’ny Faritra Boeny sy Amoron’i Mania kosa, niampy telo ireo olona nahitana tranga vaovao. Niakatra ho 17 714, araka izany, ny fitambaran’ireo olona efa nitondra io tsimokaretina io eto amintsika. Niampy 81 kosa, ireo olona sitrana soa aman-tsara tamin’ity Covid-19 ity. Hatreto, miisa 17 228 ireo olona efa sitrana tamin’io valanaretina io. Tetsy ankilany, olona iray no lavo, ity farany izay hita tato anatin’ny Faritra Analamanga. Mahatratra 261 noho izany, ireo olona efa namoy ny ainy amin’izao fotoana. Ankoatra izay, olona miisa 225, manaraka fitsaboana ary arahi-maso tanteraka ny fahasalaman’izy ireo.
Mbola misy ny valanaretina…
Miverina amin’ny fihibohana ny firenena maro any ivelany ankehitriny. Ho antsika eto Madagasikara, azo sorohana tsara ny fidirana amin’ny fihibohana faharoa, raha voahaja ny fepetra rehetra efa napetraka. Etsy ankilany, raha ny zava-misy, mbola tsy foana eto amintsika ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao. Tsikaritra anefa fa maro ireo olona, tsy mampihatra intsony ny fanajana ny fepetra rehetra napetraky ny Fitondram-panjakana. Tsy eto Andrenivohitra ihany, fa hahitana io tsy fanajana io avokoa ireo Faritra rehetra manerana ny Nosy. Eo ny tsy fanaovana aro-tava, ary koa, ny tsy fanajana ny elanelana eny amin’ireny toerana vory vahoaka ireny. Tafiditra anatin’izany koa, ny tsy fampiasana ny « gel désinfectant » any anatin’ireny fitaovam-pitateram-bahoaka maro samihafa ireny.
Amin’izao ankatoky ny fety izao manokana, zary lasa adino tanteraka ny fanaovana arotava sy ny fanajana elanelana indraindray. Raha ny zava-misy eny amin’ny faritra Analakely sy Antaninarenina manokana izao no asian-teny, dia maro ireo efa tsy manaraka fepetra intsony. Ny tsara ho marihina anefa dia hahafahana tsara manaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra takiana amin’izao vanim-potoan’ny valanaretina izao ny rindran-damina napetraky ny mpitantana ny tanàna. Ny vahoaka tonga mitsidika sy mijery ireo karazana seho sy jiro ary kilalao samihafa kosa no tokony ho samy tomponandraikitra amin’ny fanajana ny fepetra. Tsy tokony ho atao sakana amin’ny fakana fahafinaretana amin’izao andro fety izao akory izany fa azo ampifanarahana tsara.
Tsiferana (Mpianatra asa)



