PolitikaSongadim-baovao

FOTOTRY NY TETIKASA MIAMI RAVA: Tsaho niniana naely ho fanakorontanana

Manoloana ny vaovao diso miely sy miparitaka tamin’ny tambazotra sosialy nanomboka afakomaly, nanao fanambarana ny tena zava-misy marina any Toamasina ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Atsinanana. Notsindriana tao anatin’izany fa tsy nokaohin'ny ranomasina velively ireo tany mena na “remblai” amin'ny fanamboarana ny boulevard Ratsimilaho izay mitohy amin'ny tetikasa Miami. Tsaho niniana naely hahatonga fanakorontanana amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao fotsiny ihany, noho izany, no nanaparitahana ireny vaovao diso ireny.

Diso ny filazana fa natelin’ny ranomasina ny tany mena na « remblai » izay fototra hanamboarana ny boulevard Ratsimilaho. Araka ny vaovao naely sy naparitaka  tamin’ny tambazotra sosialy nanomboka  ny alahady teo tokoa mantsy, voalaza fa lasan’ny riaka ny lalan-tany fototry ny fanavaozana ity Boulevard Ratsimilaho ity, eo amin’ny tapany 1.900 metratra mampitohy ny Lycée Jacques Rabemananjara amin’ny Miou Miou Club. Niara-nijery teny ifotony tamin’Atoa XIN izay  solontenan’ ny orinasa SMATP anefa ny Seraseran’ny Faritra Atsinanana, taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza. Hita nandritra izany fa nisy tokoa ny fidiran’ny ranon-driaka tamin’ny asa efa vita, fa noho ny fisian’ny dongom-pasika avo napetraka namorona ny asa vita, dia « remblai » metatra vitsivitsy tanatin’ny 1900 metatra namboarina no tototry ny fasika. Marihina fa efa mahatratra 1.60m hatramin’ny 2m ny haavon’ny tany efa napetraka. Araka izany, hitohy amin’ny volana janoary ny asa hoy ity sinoa tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa mpanao ny asa ity. Fanelezana tsaho sy fanakorontanana saim-bahoaka, ary miharo ambadika politika fotsiny tsotra izao, noho izany ny fanaparitahana ny filazana fa simban’ny rivodoza ny tetikasa Miami. Entina hilazana ny mety tsy fahombiazan’ny tetikasa. Misy koa ireo tsy manadihady sy manamarina tsara ny vaovao akory fa faly ny hizara sy hitsikera ny asa efa natao, ka tafalatsaka anatin’ny vela-pandrik’ireo mpanely tsaho. Araka izany, tsy tokony handairan’ny vaovao miely etsy sy eroa ny rehetra fa hiandry hatrany vaovao ofisialy avy amin’ireo tomponandraikitra mahefa isan-tsokajiny.

Dingana voalohany

Raha tsiahivina dia tany amin’ny tapaky ny volana Novambra no natomboka tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana ny dingana voalohany amin’ny tetikasa « Miami », izay anisany velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika tao Toamasina. Dingana voalohany izay miompana amin’ny fanajariana ny tapany avaratra, manomboka amin’ny Hopitaly Be mifarana eo amin’ny Neptune, izay mirefy 560 metatra. Ao anatin’io dingana voalohany io, hisy ny fametrahana rarivato mirefy 800 metatra izay manaraka ny endriky ny sisin-dranomasina, ary hiaro ny fotodrafitrasa amin’ny onjan-dranomasina sy ny rivo-doza. « Hajariana tanteraka ny moron-dranomasina hahafahana mametraka ny fototra ijoroan’ireo fotodrafitrasa: dia ny « jardin des amoureux », ny « skate-park », ny fanaovana fanatajahantena ankalamanjana, sy ny tapany voalohany amin’ny toerana hipetrahan’ireo mpivarotra voanio », araka ny fampitam-baovao. Araka ny fanazavana hatrany, haharitra dimy volana ny fanatanterahana ity dingana voalohany ity, ary aorian’izay, dia hitohy avy hatrany amin’ny dingana faharoa hatrany amin’ny dingana fahefatra farany. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Toamasina dia natsangana ity tetikasa Miami ity mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany izay isan’ny fanoitry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Notsiahivin’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ankoatran’ireo fotodrafitrasa ireo dia omena sehatra manokana ny varotra fampirantiana ny asa tanana vita malagasy.

Fermer