PolitikaSongadim-baovao

FANDRAISANA NY TAONA VAOVAO 2021: Tsy hisy lanonambe eny Iavoloha, fampahafantarana ny PEM no hatao

Ainga vao ho an’ny fanarenana ny firenena amin’ny lafiny rehetra ny taona 2021. Ny Filoha rahateo efa nanambara fa ho taonan’ny asa goavana io taona ho avy io. Araka izany, fantatra fa hisy famelabelaran-kevitra lehibe karakarain’ny Filoham-pirenena amin’ny fiandohan’ny taona 2021, hanazavana bebe kokoa momba ny PEM na ny “Plan pour l’emergence de Madagascar”. Io hetsika goavana io izay hisolo ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona fanao isan-taona tany aloha, araka ny fanazavana.

Andrasana ny hanoloran’ny Filoha ny PEM.

Zary fanaon’ny Fitondrana nifandimby teto amintsika hatramin’izay ny fanaovana lanonam-be fifampiarahabana tratry ny taona vaovao rehefa volana janoary. Vola tsy toko tsy forohana anefa no lany amin’izy ireny satria vahiny maro koa no hasain’ny Filoham-pirenena. Nanova izany ny Filoha Andry Rajoelina nanomboka tamin’izy niverina teo amin’ny Fitondrana ny taona 2019. Raha tsiahivina dia efa tsy nisy intsony io lanonam-be fifampiarahabana tratry ny taona io tamin’ity taona 2020 ity. Noho izany, araka ny loharanom-baovao mari-pototra voaray dia mbola tsy hisy koa ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2021 ataon’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa kaonferansa lehibe momba ny PEM (Plan pour l’emergence de Madagascar) no hasolo izany. Araka ny fanazavana dia hatramin’ny taona voalohany nandraisan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fitondrana ny taona 2019 dia efa nofoanana avokoa ny fandaniana tsy amin’antony ny volam-panjakana. Ny fanjakana rahateo dia manao laharam-pahamehana amin’ny politika fitsitsina ny fitantanana ny volam-panjakana. Etsy an-daniny, ny vahoaka malagasy rahateo mbola ianjadian’ny vokatry ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny covid-19. Izay no antony nahatonga ny Fanjakana tsy hanao lanonana fiarahabana tratry ny taona 2021.

Tetikasa sy asa goavana

Ny loharanom-baovao marim-pototra ihany no nahalalana fa hasolo kaonferansa lehibe hamelabelaran’ny Filoha Andry Rajoelina ireo votoatin’ny PEM io lanonam-be fanao isan-taona io. Fotoana izay hanasana ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola amin’ny Fanjakana malagasy, ireo Masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara, ireo olomboafidy, ireo mpisehatra ara-toekarena malagasy sy vahiny ary ireo mpampiasa vola malagasy sy vahiny. Izany fandaharam-potoana izany no maneho ireo tetikasa sy asa goavana hotanterahina mandritry ny telo taona ho avy. Izany hoe, karazana tondrozotra ahitana soritra ireo asa rehetra fohy na lavitra ezaka izay kasain’ny TGV entina hampandrosoana an’i Madagasikara ho taratry ny 20 taona ho avy io fotoana io.

Tsara ho fantatra fa hanao Kabary ho an’ny vahoaka malagasy, manodidina ny 40 minitra eo, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy 31 desambra 2020, amin’ny 08 ora alina. Hivantana ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM sy ny Radio Nasionaly malagasy RNM izany Kabary izany, izay hifantoka indrindra, amin’ny jery todika ny zava-bitan’ny Fitondrana malagasy nandritra an’iny taona 2020 iny ary hanoritsoritana ny asa atrehana amin’ny taona 2021.

Fermer