PolitikaSongadim-baovao

RAVALOMANANA MARC: Manao ririnin-dasa tsy tsaroana, efa very tadidy angamba?

Zary efa fihetsika mahazatra fanaon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny manao teny mihantsy, miharo fanakorontanana, hatramin’ny niverenan’ny Filoha Andry Rajoelina teo amin’ny fitantanana ny firenena. Ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ny tenany sy ny mpiara-dia aminy. Fotoana izay nanaovany fanambarana politika sy fandrangarangana fanakorontanana ho atao amin’ity taona 2021 ity.

Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao nataon’ny antoko TIM sy ny mpanohitra ny sabotsy teo no nilaza ingahy Ravalomanana fa hijoro sy ho sahy hanohitra ireo lazaina fa tsy mety ataon’ny Fanjakana mijoro ankehitriny ny tenany. Jadona, tsy rariny, fandikan-dalana, ireo no anisany nambaran-dRavalomanana fa hanenjehany izao Fitondrana mijoro izao. Fotoana izay niantsoana ireo namany sy ny mpiara-dia aminy rehetra hifanohana aminy amin’izany.  Nanentana ireo mpomba azy izy ho sahy hijoro fa tsy hatahotra ny higadra. Ny tsara tsindriany anefa dia mbola tsy nisy mpomba an-dRavalomanana nogadrain’ity Fitondrana ity mihitsy raha mbola resaka politika koa. Raha tsiahivina anefa, izay mety tsy tsaroan’ingahy Ravalomanana intsony angamba, dia izy no nampigadra mpanao politika sy mpitondra fivavahana ary mpandraharaha betsaka indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara. Tao anatin’ny roa tona monja nitantanany anefa no nanaovany izany.

Sandambola malagasy?

Anisany hanakianan’ingahy Ravalomanana mafy ny Fitondrana Andry Rajoelina ihany koa ny fihenan’ny sandambola malagasy izay tafiakatra manodidina ny 4 800 Ariary ny Euro iray amin’izao fotoana izao, raha toa ka nanodidina ny 2 400 Ariary teo izany tamin’ny fitondran-dRavalomanana. Ny zavatra tsy tokony ho adinoin’ity Filoha teo aloha ity anefa dia nanodidina ny 800 Ariary ny euro iray tamin’ny taona 2001, izany hoe, talohan’ny nahazoany fitondrana tamin’ny taona 2002. Io fotoana io izay tsy nisy krizy ara-pahasalamana niteraka krizy sosialy sy ara-toekarena, tahaka izay hiainan’ny firenena maro maneran-tany amin’izao. Tsara marihana fa tsy I Madagasikara irery no misedra olana ara-toekarena vokatry ny Covid-19, fa saika ny firenen-drehetra maneran-tany mihitsy. Ny an’ingahy Ravalomanana anefa, tsy nisedra krizy ara-pahasalamana, tsy nisy sakana goavana teo amin’ny tontolo ara-toekarena nanerana izao tontolo izao, kanefa dia niakatra avo telo heny ny Euro tao anatin’ny fito taona nitantanany.

Tsy misy zava-bita ?

Sahin’ity mpanao politika ity no nilaza fa tsy misy zava-bitan’ity fitondrana ankehitriny ity. Mazava ho azy fa ny mifanohitra amin’izay mihitsy no zava-misy. Saingy ny fahitan’ny mpanohitra ireo fotodrafitrasa maro sy velirano ataon’ny mpitondra ankehitriny mihitsy no tsy mety amin’izy ireo ka hitadiavana hevitra izay fomba hanaratsiana endrika ny Fitondram-panjakana. Tsy mahagaga rahateo izany satria ny tsy hahatanteraka ireo fampanantenana sy Velirano nataon’ny Filoha tamin’ny vahoaka mihitsy izao no tanjon-dRavalomanana sy ny ekipany. Fanamby goavana anefa no efa nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny faran’ny taona 2020 teo amin’ny hanaovana ity taona 2021 ity ho taonan’ny asa, fanarenana sy fanorenana. Tsy hahafaly ny mpanohitra mihitsy ny hahatanteraka ireny tetikasa rehetra ireny satria haharatsy toerana azy ireo izany amin’ny 2023. Ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa anefa, etsy ankilany, tsy hihemotra amin’ireo tetikasa rehetra efa voarafitra anaty vinam-panandratana an’I Madagasikara.

Ny Fanoratana.

Fermer