SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY KERE: Mitohy ny fanadihadiana isam-pianakaviana atao any Atsimo
Na dia ankatoky ny fety aza no nisy antsika tato anatin’ny andro maromaro, tsy nijanona fa nitohy hatrany ny asa fanadihadiana isam-pianakaviana ataon’ny Fitondram-panjakana any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Tanjona ny hamaritana ireo olona tena marefo sy mila famonjena aingana ka omena ny fanampiana sy vonjy aina sahaza azy. Nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ny Minisitry ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary, nanaraha-maso izany asa izany.
Ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Rano, Fidiovana, ary Fanadiovana, Rakotovelomanantsoa tany amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, ny herinandro lasa teo, no nahalalana fa efa mizotra amin’ny antsakany sy ny andavany ny paikady lavitrezaka ho fanafoanana ny Kere sy ny tsy fanjariantsakafo any an-toerana. Araka ny fantatra, efa manomboka ankehitriny ny fametrahana ny banky misahana ny lafiny sakafo. Etsy ankilany anefa, mitohy ihany koa ny fanadihadiana isam-pianakaviana, hanangonana ny antontanisa ilaina amin’ny fandrafetana ny stratejia. Izany anefa dia mifanindran-dàlana hatrany amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo marefo. Midika izany fa na ny fiatrehana ny Hamehana, na ny vahaolana lavitrezaka dia efa samy mandeha avokoa. Hita nandritra ny fidinan’ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary tany amin’ny Faritra Androy sy Anosy fa eo amin’ny lafiny fandaminana dia misongadina ny fanamafisana ny asan’ny CCO Kere, izay tarihin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena miaraka amin’ireo Governora isam-paritra. Tsiahivina fa ny CCOK no mandrindra ny asa rehetra hiadiana amin’ny kere, na ho an’ny miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, ny mpiara-miombona antoka na eto an-toerana na avy any ivelany. Nandritra ny fivoriana natao tao Ambovombe dia nisy ny fanazavana ny andraikitry ny CCOK eo amin’ny lafiny fandrindràna, izay natrehin’ny Minisitra Rakotovelomanantsoa, ireo tompon’andraikitry ny CCOK ary ny solotenan’ny mpiantsehatra rehetra. Eo amin’ny lafiny fandaminana ihany, dia nifampidinika tamin’ny mpiasan’ny AES ao Ambovombe ny Minisitra. Nisy ny fizarana ny vahaolana eo amin’ny fampandehanan-draharaha. Fotoana izay nilazana fa hahazo ny karamany mialoha ny faran’ny taona ny mpiasan’ny AES araka ny fanamby napetraka. Tetsy ankilany, nanamafy ireto farany fa hilofo manoloana ny asa takian’ny ady amin’ny kere. Ny fanampiana ny mponina ianjadian’ny kere rahateo no vava asa lehibe atrehin’ny mpiantsehatra rehetra.
Mitohy ny fizarana sakafo
Amin’ny ankapobeny, mitohy ary hatsaraina ny fanampiana eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, ny fizarana rano, ary ny momba ny fahasalamana. Araka izany, tonga nandray anjara tamin’ny fizarana sakafo ho an’ireo olona voasokajy ho tena marefo ao amin’ny fokontanin’i Berary, ao amin’ny kaominin’Ambovombe, ny Minisitra ny talata 29 desambra. Ankoatra ny fizarana vary, katsaka voatoto, lafarina misy otrikaina, ary rano, dia nisy koa ny fizarana vilany, vilia sy sotro, ary dia nomena sakafo mafana ihany koa ireo ankizy madinika. Ny alarobia 30 desambra kosa dia tao amin’ny kaominin’Andranobory, ao amin’ny distrikan’i Tölagnaro, ary tao amin’ny fokontanin’i Embaritsiky, ao amin’ny distrikan’Amboasary ny Ministra. Nisy ny fizarana sakafo, menaka, sy rano. Toy ny tany Berary, any Ambovombe, dia nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimainpoana ho an’ny mponina. Hitohy foana, isaky ny distrika voakasika any Atsimo, ny fizarana sakafo, rano, ary ny fizaham-pahasalamana hiatrehan’ny mponina ny kere.


