SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Mampirisika hatrany ny fisotroana CVO ny Minisitry ny Fahasalamana
Mbola misy hatrany ny tranga vaovao voamarina ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eto amintsika. Ny herinandro lasa teo, nanisy resaka momba ny firosoan’ny ady amin’ny Covid-19 eto Madagasikara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Jean Louis. Nambarany nandritra izany fa mitohy ny fandraisana andraikitry ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny fihanak’ity valanaretina ity. Notsindriany fa na tranga iray aza no voamarina amin’ny toerana iray dia efa misy ny fandraisana an-tanana amin’ny alalan’ny hetsika “Coup de poing”. Raha mihoatra ny efatra kosa ny tranga hita amin’ny toerana iray dia efa misy ekipa afaka mirotsaka an-tsehatra avy hatrany manao ny fanadihadiana eny ifotony. Marihana fa nisy hatrany io fomba fiasa io na dia tao anatin’ny vanim-potoan’ny fety aza. Teo anatrehan’izany, nanamafy ny Minisitra Rakotovao Jean Louis fa lavitra antsika ny fiverenana indray amin’ny fihibohana raha ny zava-misy rehetra miseho ankehitriny no jerena. Na izany aza anefa, nanentana hatrany ny tokony hitandreman’ny tsirairay ny Minisitra tomponandraikitra, indrindra ny tokony hampiharana hatrany ireo fihetsika sakana.
Mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ny tokony hisotroan’ny rehetra ny Tambavy CVO, na ihany koa ilay miendrika “Gélule” CVO+. Betsaka, hoy izy, no efa nijoro vavolombelona tamin’ny fahombiazan’ireo fanefitra hitan’ny mpikaroka malagasy ireo ka tokony tsy hisalasalana ny fandraisana izany. Na izy tenany aza efa nanambara fa nahita vokatsoa tamin’ny fihinanana CVO. Ho an’ity taona 2021 ity manokana, CSB miisa 119 no kasain’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, hatsangana. Ny vato fototry ny 59 amin’ireo izay efa tafapetraka tato anatin’ny volana vitsivitsy avokoa.




