
Fanadihadiana Manokana
TAONA 2021: Ho taonan’ny asa, fanarenana sy fanorenana
Ho taonan’ny asa, ny fanarenana sy fanorenana ny taona 2021, raha ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, nandritra ny firarian-tsoa noho ny taona vaovao, ny 31 desambra 2020 lasa teo. Marobe ny fotodrafitrasa atsangana, izay mbola tsy fahita hatrizay, toy ny fananganana ny Tanamasoandro, ny “autoroute”, ny fisiana “Télépherique” sy ny maro hafa…

“Asa fa tsy kabary. Fampandrosoana ifarimbonan’ny rehetra no ifantohantsika manomboka anio. Ho taonan’ny asa, ny fanarenana sy fanorenana ny taona 2021”, hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, naneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana ireo fanamby sy vina amin’ny asa, ho an’ity taom-baovao ity. Nasongadiny io nandritra ny kabary famaranana ny taona 2020 sy nanehoany ny firarian-tsoa ho an’ny taona vaovao 2021. “Hiasa andro aman’alina isika. Rehefa mipetraka ny fanamby, dia tsy maintsy tratra ny tanjona…Efa mazava ny sori-dalana hirosoana amin’ireo asa fampandrosoana eto amin’ny Firenena, ary vokatra haingana no tadiavina amin’ity taom-baovao ity”, hoy izy. Tsy niolaka ny Filoha nilaza, fa anisan’ny lalan-tokana amin’izany ny fanovana toe-tsaina sy ny fomba fiasa. Eo am-pitadiavana ny fomba rehetra hahazoana vokatra sy haingana, azo tsapain-tanana, azo refesina ary mipaka mivantana any amin’ny vahoaka sy eo amin’ny fiainana ankapoben’ny Firenena no tanjona hapetrantsika miaraka.
Fotodrafitrasa isan-karazany…

Fotodrafitrasa goavana maro no hatsangan’ny Fanjakana, manomboka amin’ity taona 2021. “Anisan’ny fanamby lehibe ny hanombohantsika, indrindra ny hananganantsika ny tanàna vaovao, dia ny “Tanamasoandro”, izay hataontsika eny Imerintsiatosika, afaka volana vitsy. Ho tanàna modely izany tanàna vaovao izany”, hoy hatrany ny Filoha raha nanoritsoritra ireo asa hotontosaina. Tanàna mirindra sy mitandro ny tontolo iainana no ho hita eny amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika. Hahitana ireo Sampandraharaham-panjakana rehetra eny an-toerana. Hisy toerana manokana hivarotana sy hampirantiana ny asa tanana malagasy, toeram-pialam-boly, fisakafoana, fitsangantsanganana, fampisehoana, trano fanaovana sarimihetsika, fanaovana fanatanjahantena izay anisany handraisana sy fampiantranoana ny lalanon’ny Nosy.
Ankoatra ireo, hahitana toeram-ponenana ho an’ny sokajin’olona rehetra, hahitana hopitaly, sekoly, trano fivavahana ary izay rehetra ilaina hanamorana ny fiainana andavanandro eny amin’ny tanàna vaovao Tanamasoandro. Hahitana toerana voatokana ho an’ny indostria sy ny fandraharahana eny an-toerana.
Hifanindran-dalana amin’izany, ny asa fanamboarana ireo lalambe migodana “autoroute” mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay fantatra fa handalo any Ambatondrazaka. Araka ny fampanantenan’ny Filoha Andry Rajoelina, dia hapetraka koa ny “ny Télépherique” eto Antananarivo renivohitra, izay fitaterana madio sy maoderina, ialana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Eo koa ny fanaovana “tramway” eto an-drenivohitra mihazo amin’ny Tanamasoandro, izay hanavaozana ny fivezivezena sy ny fitaterana olona. Ankoatra ireo, ny fanohizana ny tetikasa efa natomboka, toy ny tetikasa Miami any Toamasina, izay hanome ainga vao ho an’ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny fizahantany. Eo koa ny asa fanovana ny fantsona sy ny fampitomboana ny famokaran-drano eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra maro.
Fisedrana isan-karazany…
Raha nanao jery todika ny Filoha momba ny taona 2020, dia niaiky ny tenany fa taonan’ny fisedrana. Tafiditra tao anatin’izany ny tondra-drano niseho tamin’ny Faritra maro. Isan’ny goavana koa ny fandalovan’ny valanaretina covid-19. Niteraka sakana maro ho an’ny fampandrosoana ny fihibohana satria namotika ny toekarena ny vokatry ny fahamehana ara-pahasalamana nandritra ny volana maro. Na izany aza, nanentana ny rehetra mba hitandrina ny Filoha, noho ny tsy mbola mahafongana io valanaretina io. Naneho ny fandraisan’ny Fanjakana andraikitra izy, tamin’ny alalan’ny fampijoroana ireo fotodrafitrasa maro isan-karazany, toy ireo EPP sy CEG manara-penitra, hopitaly, lalana, laboratoara fitiliana tsimokaretina, ny orinasa fanamboarana fanafody pharmalagasy, ny fonja, ny Rovan’Antananarivo sy ny maro hafa. Na dia maro aza ireo sedra atrehan’ny vahoaka ankehitriny, vokatry ny “Krizy ara-pahasalamana”. Tsy nohadinoin’ny Fitondram-panjakana ny momba ny fanalefahana ny vidim-piainana, amin’ny alalan’ny fanafaran’ny Fanjakana vary iatrehana izany. Io ilay antsoina hoe “Vary tsinjo”.