PolitikaSongadim-baovao
FANODIKONDINAM-BOLAM-PANJAKANA : Am-polony maro ireo tomponandraikitra hiakatra fitsarana amin’ity taona ity
Raharaha fanodikondinam-bolam-panjakana maro no hiakatra fitsarana amin’ity taona 2021 ity. Maro amin’ireo tomponandraikitra voarohirohy no nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsy vitsy koa anefa ireo eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana taorian’ny fampanoavana teo anivon’ny Pac. Ho an’ireo Minisitra teo aloha kosa, mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Antenimeram-pirenena ny fiampangana azy ireo eo anoloan’ny Fitsarana Avo na tsia.
Nanamarika iny taona 2020 iny ny tranga nisy teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fisiana tetibola mitentina hatramin’ny 8 miliara ariary voalaza fa hividianana vatomamy ho an’ny mpianatra. Tranga izay niafara hatramin’ny fanesorana ny minisitra tomponandraikitra mihitsy. Tomponandraikitra fito no naiditra am-ponja vonjimaika noho ity raharaha ity, isan’izany ny tomponandraikitry ny tolo-baro-panjakana (PRMP). Eo koa ireo orinasa nahazo ny tsena sy ny olona hafa nanamora ny tsena tsy nisy tolo-barotra. Anisan’ny vesatra iahiahiana azy ireo ny fanaovana taratasy hosoka, ny fahazoana tsy ara-drariny ny tsenam-baro-panjakana na ny fanomezana tombony manokana, ny fanamparam-pahefana ary ny fikasana hanodinkodimbolam-panjakana sy ny kolikoly. Ireo raharaha ireo izay andrasana amin’ity taona ity ny valim-pitsarana.
Dosie maro hafa…
Etsy ankilany, mahakasika an’I Johary Ravoajanahary, niarahana nandre sy nahita fa resaka “fanodikodinam-bolam-panjakana”, fony izy mbola Tale Jeneralin’ny ORTM no antony nidirany am-ponja vonjimaika, izay andrasana amin’ity taona ity koa ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina, nisy fotoana nanaovan’ny “inspection d’Etat” fanadihadiana tao amin’ny ORTM. Nandritra izany no nahitana ny fandikan-dalàna ka nanaovan’ny IGE “recommandations” nandefa ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Ankoatra izay, raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ihany koa ny momba ny filohan’ny Federasion’ny Baolina kitra ankehitriny, izay Tale Jeneralin’ny Cnaps teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul. Araka ny fanadihadiana, am-polony miliara maromaro no vola voalaza fa voahodinkodina tao amin’ity rafitra misahana ny fiahiana ara-tsosialy ity teo anelanelan’ny taona 2010 ka hatramin’ny 2018. Tomponandraikitra teo aloha fito tao amin’ny Cnaps araka izany no niakatra teo anivon’ny Pac nanaovana fanadihadiana. Ny efatra tamin’izy ireo izay nalefa vonjimaika any am-ponja, raha toa kosa ka eo ambany fanarahamason’ny fitsarana ny telo ambiny. Andrasana amin’ity taona ity ihany koa ny fitsarana io raharaha io. Manampy ireo ihany koa anefa, etsy andaniny, ny raharaha mahakasika an’I Claudine Razaimamonjy, izay mpanolotsaina manokan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Raha tsiahivina, fanodinkodinam-bolam-panjakana, kolikoly avo lenta, sy heloka hafa no hanenjehan’ny Fitsarana ity tomponandraikitra ity. Mifanindra an-dalana aminy koa ny dosie momba ny Mbola Rajaonah, izay voarohirohy amin’ny famotsiam-bola, fanaovana hosoka teny anivon’ny fadintseranana, ary fanaovana hosoka tamin’ny Sonia. Ny volana febroary 2019 ity mpandraharaha ity no naiditra am-ponja vonjimaika, ary andrasana ny fiakarany fitsarana amin’ity taona 2021 ity.
Minisitra teo aloha telo
Araka ny fanadihadiana, antontan-taratasy niisa 12 no nodinihan’ny Vaomieran’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, izay misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo. Isany misongadina amin’izany ny mahakasika ny Minisitry ny Mponina teo aloha. Eo ihany koa ny Minisitry ny Asam-panjakana teo aloha, ary ny Minisitry ny Asa Vaventy teo aloha tamin’ny fotoan’ny tetezamita. Ohatra ihany ireo fa mbola misy antontan-taratasy hafa mahakasika fanodinkodinam-bola sy raharaha andramena kirakiraina eo anivon’ity vaomiera ity. Raha tsiahivina, nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena farany teo no tokony nandraisan’ny Depiote fanapahan-kevitra mahakasika ireo raharaha ireo saingy tsy tontosa izany noho ny antony maro samihafa. Tsy maintsy ho isany lahadinika kosa anefa ireo amin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena amin’ity taona ity, izay hanomboka amin’ny volana Mey. Noho izany, isan’ireo tomponandraikitra hiakatra fitsarana amin’ity taona ity ihany koa ireo Minisitra teo aloha telo ireo raha toa ka eken’ny Antenimieram-pirenena ny fiampangana azy ireo.



