SamihafaSongadim-baovaoSosialy

VAHAOLAN’NY FAMATSIAN-DRANO: Hatsaraina ireo fotodrafitrasa mpamatsy rano eto amintsika

An-taonany maro no tsy nisy nikitika sy nanaovao ireo fotodrafitrasa famatsian-drano teto amintsika. Noho ny fahelan’ny fotoana dia miha simba izy ireny, ka lasa tsy maharaka intsony ny filan’ny mponina amin’ny resaka rano. Ny mponina rahateo koa anefa miha mitombo. Noho izany, vahaolana maharitra hapetraky ny fitondram-panjakana misy ankehitriny ny fanatsarana ireny fotodrafitrasa ireny, ankoatra ireo vahaolana vonjimaika efa mandeha amin’izao fotoana.

Tsy nataon’ny Fitondram-panjakana nifandimby ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa famatsian-drano eto amintsika. Efa am-polo taonany maro anefa no nisian’ireny fotodrafitrasa ireny. Hany ka, miha simba ny fitaovana, ary tsy maharaka ny filan’ny mponina intsony. Ny tokony ho izy aza anefa dia tokony hitombo sy hatsaraina hifanaraka amin’ny isan’ny mponina ireny karazana fotodrafitrasa ireny mba ho vahaolana maharitra amin’ny olan’ny famatsian-drano eto amintsika. Tsapan’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny izany, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana, ary Fanadiovana, ka antony mahatonga ny fampiakarana ny fampiasam-bola eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa famatsian-drano. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary, efa distrika 50 no nanombohana ny asa fanarenana fotodrafitrasa famatsian-drano ny taona lasa iny. Maro koa ireo kaominina ambanivohitra izay nahavitana fotodrafitrasa vaovao. Notsindrian’ny Minisitra tomponandraikitra fa vola avy amin’ny Fanjakana no nanaovana ireny tetikasa ireny. Nisy koa anefa vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika toy ny Unicef. Ity farany izay manao forage maro manerana ny Nosy, indrindra any Atsimo.

Na izany aza anefa, anisany olana goavana noresahan’ny Minisitra koa ny fiovaovan’ny toetrandro izay mahatonga ny haintany, maharitra ny loharano. Voakapa ny ala, hoy izy, hany ka tsy misy ny mitazona intsony ny rano ambonin’ny tany fa lasa mivarina avy hatrany mankany an-dranomasina. Tranga hita manerana an’i Madagasikara izany, kanefa ny ala no miantoka ny fisian’ny rano. Araka izany, tsy maintsy misy ny fandrindrana asa eo amin’ny minisitera maromaro hahafahana mamaha ny olana.

Fiarabe mpamatsy rano dimy

1 miliara Ariary. Io no tetibidin’ny fiarabe miisa dimy, natolotry ny Unicef ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana, ary Fanadiovana, omaly. Araka ny fanazavana, vahaolana ao anatin’ny Hamehana amin’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy any amin’ny toerana hafa izay tena mila ireo fitaovana ireo. Araka ny fanazavan’ny Solontena maharitry ny Unicef eto Madagasikara, dia tsy hijanona ho an’ny eto Antananarivo irery ihany ireo fitaovana ireo fa ho ampiasaina any amin’ny toerana hafa izay mila vahaolana vonjimaika amin’ny famatsian-drano koa. Manodidina ny 125 000 eo ny mponina hisitraka tombontsoa amin’ny fisian’ireo fiarabe ireo, hoy ny fanazavana. Arakaraka ny lamina apetraky ny tomponandraikitra kosa no hitsinjara azy.

Fiara be mpitatitra rano niisa telo tamin’ireo dimy no natolotry ny Unicef tetsy Ankorondrano omaly, tao anatin’ny andiany voalohany. Nanamafy ny Minisitra fa tafiditra ao anatin’ny « Plan Multisectoriel d’urgence » ity fiarahamiasa teo amin’ny roa tonta ity. Isika rahateo koa mbola ao anatin’ny ady amin’ny covid-19, izay mifototra amin’ny fampiaharana ireo fihetsika misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina, toy ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony. Noho izany, drafitra hitan’ny Governemanta amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana ny fampitomboana isa ny fiara be mpitatitra rano hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-drenivohitra.

Fermer