KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
MIHAMY MADA FASHION 2021: Hotanterahina ny 12-13-14 Febroary izao
Hetsika hanasongadinana ny tontolon’ny haihaingo ny “Mihamy Mada Fashion”. Amin’io fotoana io no hanehoana ny famoronana izay mifototra amin’ny soatoavina malagasy manao hoe: “Ny soa fianatra” ary mendrika ho fitaratra eo anivon’ny fiarahamonina. Ankoatra izay koa anefa, ny “Mihamy Mada Fashion” dia natao hisarihana sy hanentanana ny mpiara-belona rehetra hanjifa ny zava-bita malagasy izay foronina sy vokarina eto Madagasikara. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’ity hetsika ity ny taona lasa teo. Amin’ny 12-12-14 Febroary izao kosa no nofaritan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay tompo-marika amin’ny hetsika, hanatanterahana ny andiany manaraka, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.
Efa azo jerena ao amin’ny pejy fesibokin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina avokoa, araka izany, ny andinindininy rehetra mahakasika ity hetsika ity. Tafiditra ao anatin’izany ny mason-tsivana amin’ny fandraisana anjara, izay nanambaran’ny Minisitera fa ny olona iray na vondron’olona izay monina eto Madagasikaraka ka mamokatra asa vita malagasy, mitondra hevi-baovao ho amin’ny fampandrosoana ireo famoronana eo amin’ny sehatry ny haihaingo na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody no afaka mandray anjara amin’ny hetsika. Notanisain’ny Minisitera tamin’izany ohatra ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny taovolo, taokiraro, taofiravaka, hairary, haihatsarana, haizaitra, haisaripika ara-damaody. Notsipihin’ny tomponandraikitra kosa anefa fa mila hasongadina ny fanandratana ny hakanton’ny vita malagasy.
Tsara ho fantatra fa efa nanomboka ny Alatsinainy teo ny fisoratana anarana mahakasika ity hetsika ity. Amin’ny 22 Janoary kosa no fara-fametrahana ny antontan-taratasy fandraisana anjara, raha toa ka ny 27 Janoary no fiantsoana ireo voafantina. Ary amin’ny 03 Febroary kosa no fivoriana ho an’ireo mpampiranty voafantina.




