Fanadihadiana Manokana

VALANARETINA: Tsy mbola misy eto Madagasikara ilay covid-19 amin’ny endriny vaovao

Mbola maro ireo faritra ahitana ny tsimokaretina covid-19 eto Madagasikara, na dia tsy mirongatra firy aza, amin’izao fotoana. Manoloana ny fiparitahan’ny filazana fa efa misy eto amintsika ny trangana covid-19 amin’ny endriny vaovao, nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa tsy mbola tafiditra eto izany, ary mitohy hatrany ny fitiliana ny covid eran’ny faritra…

Ny faritra Mahajanga no nisian’ny resa-be nandeha tao ho ao, fa efa nahitana ilay trangan’aretina covid vaovao. Fantatra ary ankehitriny, fa tsy mbola misy any an-toerana, ary tsy mbola ahitana soritraretina ny amin’izany eto Madagasikara. Nanamafy ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, tamin’ny alalan’ny Talen’ny Sampan-draharaha Foiben’ny andrimaso ara-pahasalamana sy fanaraha-maso ary fiatrehana ny aretina sy valanaretina (DVSSER), dokotera Vololoniaina Manuella fa « nisy trangana aretina vaovao covid-19 tany Royaume-Unis, izay tsy mbola misy eto amintsika, raha atsy Afrika Atsimo no efa fantatra fa misy azy io. Izany indrindra no mbola antony tsy hamahana ireo sisin-tanintsika hatramin’izao ». Mitohy hatrany kosa ny fanaovana fitiliana ilay tsimokaretina covid mbola misy eto io, ary koa hijerena izay trangan’aretina vaovao misy avy any ivelany atao eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Ny fandraisana ireo olona mila mody eto amintsika no mbola raisina eny Ivato, raha tsiahivina. Izay olona rehetra tonga dia atao fitiliana avokoa, ary tsy maintsy mandalo fihibohana mandritra ny roa andro miandry ny valin’ny fitiliana. Izay tsy ahitana tsimokaretina mahazo mandeha, ireo izay ahitana indray raisin-tanana avy hatrany eny amin’ny hopitaly. mbola mandray an-tanana ireo mararin’ny covid ny HJRA, Hopitaly Befelatanana, manara-penitra Andohatapenaka sy Anosiala.

Olona miisa valo voan’ny covid tao Mahajanga

Ny Dokotera Vololontiana Manuela, Talen’ny DVSSER

Tsiahivina fa misy hatrany ny filazana ireo antontanisan’ny covid-19 isaky ny faran’ny herinandro. Ho an’ny ao Mahajanga manokana, fantatra fa olona miisa valo no nahitana farany io tsimokaretina io, tamin’ny fitiliana miisa 66 natao. Fantatra fa noho ny fisian’ny fotoam-pialan-tsasatra farany teo, ny fidiran’ny mpianatra, ary ny olona efa mitondra ny tsimokaretina no nampisy ireo tranga vaovao. Tamin’ny voalohany, olona efatra no hitan’ny fitiliana, ary natao ny fikarohana ireo nifanerasera tamin’izy ireo, ary efa samy noraisina an-tanana avokoa amin’izao fotoana. Fantatra ihany koa, fa efa nahavita fanadihadiana lalina tany an-toerana ny teo anivon’ny DVSSER momba ilay tsaho niely, ary koa mikasika ny fisian’ny covid ao an-toerana. Maimaim-poana kosa ny fandraisana an-tanana ny mararin’ny covid, ary tsy misy intsony fitsaboana atao an-trano. mitohy ny fanentanan’ny tompon’andraikitra amin’ireo fepetra sakana tokony tsy mbola azo tsinontsiniavina, amin’ny mbola fisian’ny covid eto. Anisan’izany ny fanaovana arotava, izay antoka tsara indrindra tsy hahazoana tsimokaretina rehetra, ny fanasan-tanana amin’ny savony, ary ny fanajana ny elanelana iray metatra. Maro, anefa, ireo manao tsinontsinona ireo fepetra sakana, ary efa nambaran’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena fa mitohy ny fisamborana sy fanasaziana.

Tsy atahorana ny hisian’ny « 2ème vague » eto amintsika…

Tsy mbola misy ary tsy atahorana hisy eto amintsika ny « Vague 2 » na ny taha ambony indrindra amin’ny fahazoana tsimokaretina covid-19, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny minisitera hatrany. Efa nisy ireo faritra nanaovana fanadihadiana lalina ary nandraisana fepetra fisorohana tsy hiparitahan’ny tsimokaretina, toy ny teto Antananarivo sy Diana. Nisy, araka izany, ny fanaovana fitsirihana manokana nijerena ny tahan’ny hery fiarovan’ny olona (taux de sero-prévalence) natao isam-paritra, ka ho an’ny eto Antananarivo dia fantatra fa mahatratra 40% izany, raha 30% ho an’ny faritra Diana. Araka izany, tsy atahorana ny hisian’ny « 2ème vague » io, ary koa tsy azo eritreretina araka izany ny hisain’ny fihibohana manaraka.

Tsy misy fiovana firy ny antontanisa…

Raha ny fivoaran’ny covid eto amintsika dia fantatra fa azo refesina ao anatin’ny telo herinandro lasa. Izany hoe raha ny tahan’ny fahazoana io tsimokaretina io eto amintsika dia tsy ahitana fiakarany loatra. Raha ny fijerena isan-kerinandro indray, dia miovaova ny antontanisa, satria manodidina ny 50 eo hatrany izany. Raha ny valin’ny fitiliana natao ny faran’ny herinandro lasa teo, ohatra, tsy nahitana tranga vaovao izany, tamin’ny alalan’ny fitiliana fakana singa (PCR) mbola mitohy isan’andro. Amin’ny ankapobeny, mbola anisany mitàna ny laharana voalohany isika amin’ny tsy fiparitahan’ny tsimokaretina io. Tanjona ny fifehezana ny tranga isan’andro, ho an’ny eo anivon’ny minisitera. Fitiliana hatramin’ny 400 isan’andro no ataontsika amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ny PCR.

Fermer